• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 16 hatramin'ny 22 septambra

23/09/2024 00:05 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 16 hatramin'ny alahady 22 septambra

Kianja BAREA # Handray lalao amin'ny volana novambra

Vinavinaina handraisana lalao amin'ny volana novambra ny Kianja Barea Mahamasina. Ezahina atao Asoka ireo asa mbola tsy vita, mba hanomezan'ny CAF ny homologation. Efa eo andalam-pamitana ny fambolena ny bozaka. Misy ihany koa ny asa fanitarana ny fisoloana akanjo na vestiaires, mba hifanaraka amin'ny fepetran'ny CAF, ankoatry ny fametrahana tourniquet eo am-pidirana sy ny vavahady fanampiny. Nanapa-kevitra ihany koa ny fanjakana ny amin'ny hanitarana ny gradin, mba hahazaka mpijery hatramin'ny 3 000. Mitentina 50 tapitrisa Ariary isam-bolana moa ny fandaniana ho fikojana ny kianja.

OVEC # Miampy herinandro ny fandraisana filatsan-kofidiana

Vitsy loatra ny kandida nametraka ny antontan-taratasy filatsan-kofidiana ho Ben'ny Tanana sy mpanolotsaina amin'ny fifidianana ho tanterahina amin'ny volana desambra. Nanapa-kevitra ireo tompon'andraikitra ny amin'ny hanalavana ny fe-potoana fanaterana ireo antontan-taratasy ilaina. Anisan'ny mampitaraina ireo te hirotsaka amin'ny fifidianana ny tsy maintsy hananana ny taratasy fanamarinana ny fandoavan-ketra.
Ho an'ny Filohampirenena teo aloha Ravalomanana Marc, nikasa hirotsaka ho fidiana teto Antananarivo Revivotera, samy nanda ny fangatahany na ny OVEC na ny CENI, noho ny tsy fanananany ny Certificat 211 Bis.

Siramamy # Fitsidihana ny Ouest Sucre Complant de Madagascar

Nitsidika ny ozinin'ny Ouest Sucre Complant de Madagascar ny Minisitry ny Varotra sy ny Indostria, David Ralambofiringa. Vinavinaina ny hananganana fotodrafitrasa hanakanana ny rano tsy hihoatra (digue de protection) amin'ny toerana manakaiky ny vavaranon'i Mahavavy rehefa naravona ny dinika tamin'ireo teknisiana sy fikambanan'ny mpamboly ary ireo tompon'andraikitra ao amin'ny orinasa mpamokatra siramamy ao Namakia.
Nahatratra 200 000 taonina ny vokatra fary tamin’ity taoana ity raha eo amin'ny 23 000 taonina eo ny siramamy voaodina. Nisy fihenana izany noho ny rotsak’orana nameno fasika ireo tanimboly sy noho ny fomba fambolena tsy nisy fanolokoloana. Efa manatsara ny teknikam-pambolena anefa ny eo anivon'ny orinasa ahafahana mampitombo ny vokatra amin'ny taona 2025.

Anosibe # Nitrangana haintrano namoizana ain'olona

Nitrangana haintrano teny Ambohibarikely Anosibe ny herinandron'ny 9 septambra. Tamin'iny herinandro lasa iny kosa, nitsidika ireo traboina ny avy ao amin'ny Kaominina Antananarivo Revivotera. Ankoatra izay dia nanentana ny mponina ihany koa ireo tompon'andraikitra mba ho mailo sy hitandrina hatrany amin'ny resaka afo indrindra amin'izao vanim-potoana mampirongatra ny hain-trano izao.
Ankoatra ny teny Anosibe moa dia nahitana tranga fahamaizanay ihany koa ny teny Ankasina izay efa nanaovan'ny solontenan'ny Kaomina sy ny BNGRC fidinana ifotony, izay nanolorana fanampiana ho an'ireo olona 73 isa tra-boina vokatr'izany. Nametrahana trano lay vonjomaika ihany koa eny amin'ity toerana ity handraisana azy ireo.

Antsirabe # Famoahana Inspecteurs de police sy Agents de police tao amin'ny ENIAP

Tontosa ny zoma 20 septambra lasa teo ny famoahana tamin'ny Inspecteurs de police sy Agents de police miisa 1217, avy amin’ny andiany SANDRATRA. Nahavita fiofanana tao amin’ny Sekolim-pirenena ENIAP Antsirabe izy ireo. Tonga nanotrona ny lanonana ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian. Nazava ny hafatra nomen’ny Praiministra azy ireo dia ny tokony handraisana anjara feno amin’ny fiarovana ny harem-pirenena, ny vahoaka sy ny fananany.
Hiatrika ny fifidianana ho ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsain’ny tanàna isika amin’ny faha-11 desambra 2024 ho avy izao ka manana andraikitra lehibe amin’ny fampanjakana ny filaminana eto anivon’ny firenena ny polisim-pirenena, hoy hatrany ny Praiministra.

Manandriana # Nahazo milina fanodinana voasary

Ny talata 17 septambra lasa teo no nanoloran'ny Ministeran'ny Varotra sy ny Indostria ny milina fanodinana voasary tao Manandriana. Nizotra tsy nahitana olana ny andrana ary namoaka vokatra ny milina. Mamoaka ranom-boankazo 1000 litatra isan’ora io fitaovana vaovao io. Tsara ny mampahatsiahy fa mahatratra 3500 taonina isan-taona ny vokatra voasary makirana any Manandriana sy ny manodidina. Ao anatin'ny fanatanterahana ny tetikasa ODOF moa no nanomezana izany fitaovana izany.

Royaume-Uni # Manana masoivoho vaovao eto Madagasikara

Ny alarobia 18 septambra lasa teo no nandray ny taratasy manendry ny Masoivoho vaovaon'ny Royaume-Uni eto Madagasikara, Andriamatoa Patrick Lynch, ny Filohan’ny Repoblika. Efa ho 200 taona izao no nisian'ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin'ny firenena roa tonta. Nanohana hatrany ny fampandrosoana an'i Madagasikara tamin'ny alalan'ireo tetikasa maro moa i Royaume-Uni. Noresahana nandritra izao fihaonana izao ihany koa ireo tanjona iombonana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny fanabeazana sy ny fitomboana ara-toekarena ary ny andraikitry ny vondrona iraisam-pirenena amin'ireo firenena marefo manoloana ny fiatrehana ny fiovaovan'ny toetrandro.

Japon # Manohana an'i Madagasikara hatrany

Noraisin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) David RALAMBOFIRINGA tetsy amin’ny birao fiasany Ambohidahy, ny Ambasadaoron’i Japon miasa eto Madagasikara sy Comores, ABE Koji. Ny talata 17 septambra lasa teo izany fihaonana izany. Nitafa mikasika ny fomba hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fifandraisana amin’ny sehatra tsy miankina ny roa tonta. Nisarika ny sain’ny japoney moa ny minisitra ho liana amin’ny sehatry ny sakafo mifototra amin’ny vokatry ny fambolena ahafahana manatratra ny tanjona fahavitan-tena ara-tsakafo.
Naneho ny fahavononany avy hatrany hanampy an’i Madagasikara ny Ambasadaoron’i Japon raha nilaza fa handresy lahatra an’ireo orinasa japoney efa miasa aty Afrika izy ho tonga eto Madagasikara.

Turquie # Manampy an'i Madagasikara eo amin'ny sehatry ny fahasalamana

Noraisin’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ny Masoivohon'i Turquie, Ishak Ebrar Çubukçu, ny 16 Septambra lasa teo.
Raha tsiahivina dia Mpitsabo avy any Turquie no tonga nifanome tanana tamin’ireo mpitsabo tao amin’ny Hopitaly Andohatapenaka nandritra ny fotoana maro nijery manokana ny fahasalaman’ny ati-vava, ny orona sy ny sofina. Olona maherin’ny 200 no nisitraka ny fitsaboana nandritra ny fotoana niasan’izy ireo. Ankoatr’izay nampiofana ireo mpitsabo misehatra amin’ny ati-vava sy ny sofina tao am’iny Hopitaly Andohitapenaka ihany koa izy ireo.Nodinihana tao anatin’izany fihaonana izany ny mety ho fitohizan’izany ahafahana manome tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny vahoaka Malagasy.

Ady amin'ny herisetra # Mitohy ny fanohanan'i Mialy Rajoelina

Manamafy hatrany ny fanohanany ny vehivavy malagasy ny vadin'ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny traikefan'izy ireo. Vehivavy miisa 300 niharan’ny herisetra sy avy amin’ireo fikambanana vadina miaramila, zandary ary polisy no nisantatra ny andiany voalohany tamin'ny fampiofanana haitarika (na leadership). Tafiditra ao anatin'ny fandaharan'asa HOPE na FANANTENANA izany.
Tanjona no hahatonga azy ireo ho mpandray anjara feno amin'ny fampandrosoana ny firenena eo amin’ny lafin'ny maha-olona, ny ara-toekarena sy ny sosialy.

Lire la suite

Articles Similaires