• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cycloneoi
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Niverina niharatsy ny kalitaon’ny rivotra hiainana ho an’Antananarivo

20/09/2024 16:10 © Moov

Namoaka ny tomban’ny kalitaon’ny rivotra ho an’Antananarivo nanomboka ny 13 hatramin’ny 19 septambra teo ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro androany. Tao anatin’izany no nanambaran’izy ireo fa mila mitandrina ireo olona marefo. Niverina miharatsy indray mantsy ny kalitaon’ny rivotra hiainana eto Antananarivo tato ho ato. Tao anatin’izany no nanambaran’izy ireo mazava fa tsy mahasalama ho an’ny olona marefo indray aloha hatreto ny rivotra.

Avo roa heny hatramin’ny efatra

Toerana miisa fito eto Antananarivo no hijeren’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro ny toetry ny rivotra hiainana eto Antananarivo. Tsy nisy tamin’izy ireo no nanodidina na ambanin’ny fetra farany ambony voalazan’ny Fikambanana irsaim-pirenena momba ny fahasalamana fa azo hiainana no hita. Ao anatin’izany i Ampandrianomby (DGM), Andraharo (UNICEF), Soanierana (CNRE), Ambatobe, Amboditsiry (MADA-AQ), Andranomena (Ambassade des États-Unis) ary Antsakaviro. Avo roa heny hatramin’ny efatra heny mihoatra ny fetra farany ambony avokoa no hita tamin’ireo toerana miisa 7 ireo. Raha tsiahivina moa dia tokony hanodidina ny 2.5PM ny sela mandoto ny rivotra tokony hita. Araka izany, mampitandrina sahady ny olona marefo ny Météo Madagasikara satria toetra nandritra ny herinandro io notaterina io. Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa rehefa mafana toy izao ny andro dia miakatra hatrany io fahalotoan’ny rivotra io ka tokony efa miomana amin’izany.

Mbola hitohy

Mandritra ny telo andro manaraka, ny toetr'andro dia mbola hanamafy ny fenitra hivorian’ny loto eny amin’ny rivotra, ary ny kalitao ihany koa mbola hijanona ho tsy mahasalama ho an'ny olona marefo, hoy hatrany ny fanazavana. Tafiditra ao anatin’izany ireo zaza amam-behivavy bevohoka, ireo be antitra ary ireo olona manana aretina mitaiza. Ny aretin’ny taovam-pisefoana moa matetika no tena aretina miseho amin’ny fotoana toy izao. Soso-kevitra ho an’ny mponin’Antananarivo araka izany ny mba hametra ny hetsika ara-batana ataony any ivelan’ny trano fonenana, hanidy varavarankely sy varavarana mandritra ny fotoan’ny fahalotoana, mampiasa aro vava raha azo atao ary manatona dokotera matihanina raha toa ka misy soritr’aretina toy ny kohaka, areti-maso, na sempotra.

Lire la suite

Articles Similaires