• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cpo/Ua
Image
Vaovao

Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana : Marihina amin’ny andro ho an’ny kolontsaina

20/09/2024 11:14 © Moov.Mg

Marihina isaky ny 21 septambra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana. Miompana amin’ny fampiroboroboana ny kolontsain’ny fandriampahalemana ny lohahevitra itondrana izany, ho an’ity taona ity. Manomboka androany ny fanamarihana, ho an’i Madagasikara.

Mampitsahatra ny herisetra

Isan-taona, isaky ny 21 septambra, dia miantso ny olon-drehetra maneran-tany ny Firenena Mikambana mba hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana. Feno herisetra sy fifanolanana loatra mantsy izao tontolo izao, anjakan’ny tsy fitoviana sy ny fanavakavahana ihany koa. Tanjona lehibe, ho an’ny fanamarihana ity andro iraisam-pirenena ity, noho izany, ny fampiroboroboana ny fifampiresahana, ny fampanjakana ny hatsaram-panahy, ny fanajana ny zo maha-olombelona. Tamin’ny taona 1981 no nametrahan’ny Firenena Mikambana ny andron’ny 21 septambra ho andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana. Roapolo taona aty aoriana, izany hoe : ny taona 2001, dia napetraky ny Firenena Mikambana ho andro hampitsaharana ny herisetra sy hanatsaharana ny ady maneran-tany ity andro ity.

Kolontsaina sy fandriampahalemana

Manamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana ihany koa isika eto Madagasikara. Ho an’ity andro androany ity dia andro ho an’ny kolontsaina, na « Journée Culturelle », no karakarain'ny tetikasa AVANA, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro, toy ny ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny MSIS Tatao, ny tetikasa IRF Tanora, ireo rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana miasa eto Madagasikara… Eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina no hanatanterahana izany. Hetsika maro no hatao, mandritra ity tontolo andro ity, izay natomboka tamin’ny « carnaval » lehibe nanaovana fitafy nentim-paharazana, narahin’ny fampisehoana ara-kolontsaina isan-karazany, dinika sy famelabelaran-kevitra…
Isan’ny handray anjara amin’ny tafatafa ny jeneraly Ramakavelo Désiré sy Randriamisata Patrick, mpandrindra ny tetikasa IRF Tanora. Lohahevitra hovoaboasana miaraka amin’izy ireo ny hoe : « Ireo fanamby eo amin’ny fahasamihafana ara-kolontsaina manoloana ny fandriampahalemana » (Enjeux de l'interculturalité sur la paix).
Misy ihany koa ny lalao mety hahazoana loka isan-karazany sy ny trano heva fampirantiana, hita eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina.

Lire la suite

Articles Similaires