• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Toliara II : Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro

20/09/2024 09:10 © Moov

Amin-kafaliana no nandraisan’ireo mponin’ny Toliara faharoa ny herinaratra natokana ho azy ireo. Vita tanteraka mantsy ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ho azy ireo. Notanterahina omaly ny fampandehanana (mise en service) ireo tobim-pamokarana herinaratra ireo.

Toby miisa 2

Miisa roa be izao ny toby mpamokatra herinaratra vaovao avy amin’ny masoandro ao Toliara ity. Voalohany amin’izany ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankililioka izay manana tanjaka 463 KWc, ary faharoa ny Kaominina Ambanivohitra Ambahikily izay manana tanjaka 579 KWc. Hafaliana ny an’ireo mponina any an-toerana satria hitondra fanovana eo amin’ny tanàna izy io. Na izany eo amin’ny lafiny fihariana sy fampandrosoana na eo amin’ny lafiny fandriam-pahalemana. Marihina rahateo fa efa amperin’asa ihany koa ny milina mpihary herinaratra na "groupe électrogène" (GE) izay ho atao fiandry rehefa misy ny fahatapahana. Manana tanjaka 330 KVA izany GE izany. Samy hanana izany avokoa na ny eo Ankililioka na ny eo Ambahikily. Miandry ny fandraisana ara-teknika sisa, mialoha ny fitokanana amin'ny fomba ofisialy ireto fotodrafitrasa vaovao ireto, hoy ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Toliara, Milly Martial. Marihina fa ny orinasa ANKA no manatanteraka izany asa izany.

Tobim-pamokarana telo hafa

Amin’izao fotoana izao, ankoatra ireto vao namboarina ireto dia efa misy tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro miisa 3 hafa ihany koa no efa amperin’asa any an-toerana. Isan’izany ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tanandava, manana tanjaka 110,4 KWc. Ao ihany koa ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Befandriana Atsimo, izay manana tanjaka 66 KWc ary ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Belamonty izay manana tanjaka 220 KWc. Mbola samy miandry ny fandraisana ara-teknika sy ny fitokanana azy avokoa ireo rehetra ireo. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vinan’ny Fitondram-panjakana hatrany izany asa rehetra izany. Tanjona amin’izany ny hampitombo ny isan’ireo tokantrano misitraka herinaratra manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny fampiasana ny angovo azo havaozina.

Lire la suite

Articles Similaires