• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rix
Image
Vaovao

Toekarena manga : Hanasonia fifanarahana momba ny fiarovana ireo harena an-dranomasina i Madagasikara

19/09/2024 11:19 © Moov.Mg

Tapaka tao anatin’ny Filàn-kevitry ny minisitra notontosaina omaly 18 septambra 2024, fa hanao sonia ny fifanarahana "Convention des Nations Unies sur le Droit de la mer" sy ny fifanarahana momba ny fiarovana sy ny fampiasana ireo harena an-dranomasina amin'ireo faritra tsy ao anaty fahefana nasionaly (Accord BBNJ) i Madagasikara, mandritra ny andiany faha 79-n’ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana hatao any New York ny 24 hatramin’ny 30 septambra 2024.

Fari-dranomasina tsy misy mpifehy

Iray amin’ireo firenena namolavola ny lalàna mifehy ny harena an-dranomasina amin'ireo faritra tsy ao anaty fahefana nasionaly i Madagasikara, nandritra ny fihaonana iraisan’ireo governemanta andiany fahadimy (Cinquième Conférence intergouvernementale) mifandraika amin’ny fifanarahan’ny Firenena Mikambana mikasika ny zo momba ny ranomasina (Convention des Nations Unies sur le droit de la mer), izay natao tany New York tamin’ny volana martsa 2023. Zava-dehibe ny fananana ity lalàna ity, satria misy fiantraikany lehibe amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tontolo iainana ny fanjonoana amin’ny fari-dranomasina tsy misy mpifehy (libre accès). Isan’ny voaresaka ao anatin’ny fifanarahana BBNJ, noho izany, ny fitantanana ireo fari-dranomasina tsy misy mpifehy ireo, indrindra ny faritra arovana an-dranomasina ; eo koa ny fanatanterahana tombana ara-tontolo iainana ary ny fitsinjarana ara-drariny ny tombony ara-toekarena amin’ny jono tanterahina eo anivon’ireny faritra ireny. « Fanambin'ireo firenena manao sonia ny fifanarahana BBNJ ny fiarovana ireo karazanjavamananaina an-dranomasina, ny fitantanana lovain-jafy ireo harena an-dranomasina, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ny fampiroboroboana ireo traikefa sy ny fikarohana ary ny fampihenana ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr’andro », hoy ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra.

Toekarena manga maharitra

Amin’ny alalan’ny fanaovana sonia tahaka izao no anehoan’i Madagasikara ny fanoloran-tenany hiaro sy hiahy ireo karazanjavamananaina an-dranomasina ary dingana lehibe amin'ny fitantanana lovain-jafy ireo harena an-dranomasina maneran-tany izany, araka ny voalazan’ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra hatrany. « Tsy misy ny Toekarena Manga maharitra raha tsy misy ny fiarovana ny ranomasina sy ny zava-boahary ao aminy. I Madagasikara no Firenena manana sisin-dranomasina lava indrindra aty Afrika ary amin’ny maha-nosy azy dia manao ny ezaka rehetra ny firenena malagasy hiarovany ny ranomasina ananany sy ny zava-boahary ao aminy », hoy kosa ny minisiry ny Jono sy ny toekarena Manga, Mahatante Paubert, nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny Fivoriana an-tampon’ny Firenena Mikambana momba ny Ranomasina, izay natao ny volana jona lasa teo, tany San Jose, Costa Rica.

Lire la suite

Articles Similaires