• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh.Jpg
Image
Vaovao

Fivorian’ny Africa 50 : Ao anatin’ny fandaharam-potoana ny firesahana ny manodidina ny angovo

19/09/2024 09:13 © Moov

Tanterahina eto Madagasikara amin’ity anio ity ny Fivorian’ny Africa 50. Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Jean-Baptiste Olivier, teo amin’ny toeram-piasany teny Ampandrianomby, omaly, ireo solontenan’ny « Africa50 » izay efa tonga. Milaza vonona ny hanohana an’ny Madagasikara amin’ny Angovo azo havaozina sy fahandroana sakafo amin'ny angovo madio ny Africa 50, nandritra izany.

Tombontsoan’ny vahoaka

Zava-dehibe ho an’ny Madagasikara ny fandraisana izany fivoriana izany satria heverina hamaly filàna samihafa. Fihaonana nifantoka tamin’ny fifanakalozana momba ireo tetikasa eo amin’ny sehatry ny angovo eto amintsika io fihaonana io. Mbola tao anatin’ny fanomanana io Africa 50 io avokoa izany. Nandritra izany, no nanehoan’ireto vahiny, ny fahavononany hanohana ireo tetikasan’ny Governemanta Malagasy eo amin’ny sehatry ny angovo. Anisan’izany ny Tetikasa Volobe amin'ny famokarana herinaratra izay hosoniavina anio ny fifanaraham-piaraha-miasa. Eo ihany koa ny sehatry ny fahandroana sakafo amin'ny angovo madio, ohatra ny fampiasana entona fandrehitra (gaz butane). Raha tsiahivina, efa nanambara ny Minisitra fa 95% amin’ny tokantrano Malagasy no mbola mampiasa ny arina fandrehitra mahazatra ( charbon de bois) na ny kitay, raha 60% izany manerana an’i Afrika. Vina lehibe araka izany ny hampiakatra ny tahan’ny fampiasana fahandroana sakafo amin’ny angovo madio (Cuisson Propre), satria efa maro ireo teknolojia sy angovo afaka ampiasaina (bioéthanol, gaz butane, herinaratra, biogaz, foyers améliorés).

Hanamora fampandrosoana

Ny Africa50 moa dia sehatra hivondronana amin’ny fampiasam-bola, izay natsangan'ireo Governemanta Afrikana miasa miaraka amin'ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana (BAD), hanohanana eo amin'ny fananganana fotodrafitrasa eto Afrika. Ny tanjony dia ny hanetsika ny famatsiam-bola avy amin'ny sehatra miankina sy ny tsy miankina, hanamorana ny fampandrosoana ireo tetikasa ary hampiasa vola amin'ny fotodrafitrasa eto amin'ny kaontinanta Afrikanina. Izany dia mifantoka amin'ny tetikasa salantsalany sy goavana misy fiantraikany lehibe amin'ny fampandrosoana an'i Afrika. Heverina hanolotra vokatra mahafa-po ho an'ny mpampiasa vola ary ho tombontsoa ho an’ny mponina izany. Ao anatin’izany ny sehatry ny angovo, raha ho an’ny Madagasikara manokana.

Lire la suite

Articles Similaires