• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Seha-pihariana volobe : Afaka mampiroborobo ny toekarena maitso

19/09/2024 08:10 © Moov.Mg

Seha-pihariana iray tsy mbola voatrandraka loatra ny fambolena sy fanodinana volobe eto Madagasikara. Raha ifotorana anefa io, dia sady manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no manampy amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ihany koa.

Andro maneran-tany ho an'ny volobe

Tsy tsara ampidirina an-trano ny volobe, na ny "bambou", fa mampisara-bady ! Iray amin'ireo finoan'ny Malagasy sasany io ary isan'ny sakana amin'ny firoboroboan’ny fitrandrahana sy fampiasana azy. Karazan-javamaniry mora volena anefa ny volobe. Ireo nambolena tamin'ny taona 2021 izao, dia efa lehibe sy azo ampiasaina tsara, hanamboarana zavatra isan-karazany, hoy ny fanazavan'ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) Fontaine Max Andonirina, omaly. Nomarihina omaly, toy ny isaky ny 18 septambra tokoa mantsy, ny andro maneran-tany ho an'ny volobe. Teny amin'ny biraon’ny MEDD eny Soanala – Ambatobe no nanatanterahana ny fankalazana ofisialy, ho antsika eto Madagasikara. Lohahevitra novoizina nandritra izany ny hoe : " Seha-pihariana volobe mahomby sy tontolo iainana mirindra, ho fampandrosoana lovainjafy". Hetsika fanentanana sy fampahafantarana ireo karazana tombontsoa no natao, narahin'ny fanolorana mari-pahaizana ho an'ireo izay nanaraka ny fampiofanana mahakasika ny fambolena volobe sy ny fikarakarana azy. Isan'izany ireo mpianatry ny ivon-toerana fanofanana teknisianin’ny ala (CNFTF) eny Angavokely sy ary ireo fikambanana mpisehatra amin’ny volobe.

Iankinan’ny toekarena

Vahaolana iray amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fambolena volobe ary isan'ny afaka manampy amin'ny tanjon'ny fitondram-panjakana "Madagasikara rakotra ala", araka ny fanazavan'ny minisitry ny MEDD. Tsy vitan'ny manamaitso fotsiny ny tontolo anefa izy, fa azo ahodina ho azo ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro, toy ny arina fandrehitra, fanaka, akanjo, asa tanana... "Any Sina, dia mampiditra 41 miliara vola dôlara isan-taona ny seha-pihariana volobe. In'efatry ny harin-karena faobe (PIB) an'i Madagasikara izany. Araka izany, ny volobe fotsiny dia efa azon'ny PIB an'i Madagasikara iankinana", hoy ny nambaran'ny minisitra Fontaine Max Andonirina. Noho izany indrindra dia manentana ny vahoaka malagasy mba hisehatra bebe kokoa amin’ny volobe ny MEDD ary koa hiala amin'ny finoanoam-poana. Efa misy rahateo ireo resy lahatra, hoy ny minisitra, ary efa mahita ny vokatsoa entiny.

Tamin’ny taona 2004 no niditra ho mpikambana tao anatin’ny Organisation internationale pour le bambou et le rotin (INBAR) i Madagasikara, ka iray amin'ireo firenena 48 miezaka mampiroborobo ny seha-pihariana volobe.

Lire la suite

Articles Similaires