• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Conim
Image
Vaovao

Fahasalamana : Hampitoviana amin’ny fampionana ho « infirmier » manerana ny Afrika ny fampianarana eto Madagasikara

18/09/2024 16:43 © Moov

Voaasa tamin’ny fivorian’ny fikambanamben’ny « infirmier » eto Afrika i Madagasikara tamin’ity taona ity. Voalohany ho antsika eto Madagasikara izany raha efa andiany faha-16 io notanterahina tao Lesotho io. Tamin’izany indrindra no tapaka fa tsy maintsy hampitoviana lenta amin’ny fampiofanana manerana an’ny Afrika ny fampianarana eto Madagasikara. Tafiditra tao anatin’ny fikambanambe rahateo moa ny holafitry ny « infirmier » eto Madagasikara nanomboka tamin’ity taona ity.

Fanatsarana

Hitondra fanatsarana ho amin’ny fampiofanana ny « infirmier » eto Madagasikara ity fidirana ao anatin’ny fikambanambe ity. Maro ny tapaka raha ho an’ny Madagasikara manokana nandritra io fihaonambe io. « Mbola azo lazaina ho tara ny fomba fampianarana eto Madagasikara raha mihaotra ny eto Afrika. Ny fandaharam-pianarana araka izany no mila ovaina sy hampanarahana ny fenitra eto Afrika. Tsy anjaran’ny holafitra intsony amin’izay fotoana izay no mandrafitra izany fa ny Fikambanambe mihitsy no mandefa azy », hoy i Andrianarison Jean Aimé na i John Love, Filohan’ny Hofalifitry ny « infirmier » eto Madagascar (CONIM). Ao anatin’izany dia tsy maintsy manaraka ny lamina mipetraka ao anatin’ny fikambanana ny eto Madagasikara rehefa niditra amin’io rafitra io. Anisan’ny vokatsoa azo avy amin’izany anefa ny fahafahana mampiasa maneran-tany ny mari-pahaizana azo rehefa vita ny fianarana, hoy ny fanazavana. Raha tsiahivina mantsy dia mbola misy ireo firenena no tsy mandray ireo mari-pahaizana avy aty Madagasikara.

Famatsiam-bola

Mbola maro ireo asa fanatsarana amin’io lafiny « infirmier » io eto Madagasikara. Fotoana iray nahafahan’ny Madagasikara manantena famatsiam-bola ihany koa araka izany iny fivoriambe iny. Nijoro nandritra iny fivoriambe iny ihany koa mantsy ny rafitra hivondronan’ireo firenena 18 aty Afrika ary anisan’izany i Madagasikara. « Hanamafy orina ny fiarahamiasan’ny Madagasikara amin’ireo mpamatsy vola ny fidirana amin’izany rafitra izany. Hahafahana manatanteraka ireo tetikasa isan-karazany ihany koa », hoy hatrany ny fanazavana. Handrandrain’ireo « infirmier » miisa hatramin’ny 45 000 manerana ny Nosy izany fanatsarana rehetra izany.

Lire la suite

Articles Similaires