• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn Telma
Image
Vaovao

Kolontsaina : Hivoaka amin’ny efitrano fandefasana horonan-tsary indray ny R+3 andiany faharoa

18/09/2024 15:44 © Moov

Niainga tamin’ny tantara tena nisy. Notohizana amin’ny andiany faharoa ny horonantsary R+3 rehefa nahitam-pahombiazana ny andiany voalohany. Hivoaka amin’ny efitrano fijerena horonan-tsary (salle de cinéma) manomboka ny 12 oktobra izao indray izany andiany faharoa izany. Hanombohana izany ny « avant-première » eto Antananarivo sy any Toamasina ny 9 oktobra izao.

« R+3 The Origin »

Nampitondrain’i Kalolahy Givennio, izay mpanoratra ny tantara sy i Ramangasoa Patrick ary i Franck Dix, mpamolavola ny tantara ny lohateny hoe « R+3 The Origin » ity andiany faharoa ity. Rehefa avy namono ireo akaiky azy ny naman’ilay namono tena tao amin’ny Campus R+3 Barikadimy, ao amin’ny Oniversiten’ny Toamasina dia te hitady izay tena anton’io famonoan-tena io. Ozona avy amin’io olona namono tena io anefa no nahatonga ireto namany namono ny akaiky azy. Te hitady izay zava-nisy marina tamin’ilay famonoan-tena ireto farany ato anatin’ity andiany faharoa ity. Ao anatin’izany anefa dia sady mitsoaka ny manam-pahefana izy ireo noho ireo famonoana olona samihafa nataony. Izany no ho hita ao anatin’ity tantara ity mandritra ny ora iray mahery kely eo. Manana sokajy toy ny horonan-tsary mampatahotra na « thrilller » ary « action » ity horonan-tsary ity raha ny fanazavana avy amin’ireo mpamorona.

Hiavaka amin’ny efa nisy

Tanora malagasy avy ao Toamasina ny ankamaroan’ireo mpilalao io sarimihetsika io. Hivoaka kokoa amin’ny mahazatra ny horonantsary raha ny fanazavana avy amin’ireo mpikarakara. « Tsy afaka ho jeren’ny ankizy latsaky ny 16 taona izy ity. Hamoaka ny kolontsaina maro misy eto Madagasikara izy io, na ny fomba fiteny na ny fihetsika sy ireo fizotran’ny horonan-tsary », hoy i Kalolahy Givennio, izay mpanoratra sy mpamorona ny tantara. Naharitra teo amin’ny valo volana teo ny nanomanana ity andiany faharoa ity nanomboka tamin’ny fanoratana hatramin’ny fanodinana azy. Havoaka amin’ny fomba ofisialy amin’izay izy afaka andro vitsivitsy. Ao anatin’izany dia manohana ny famoahana ny horonantsary ny orinasa Telma Madagasikara noho izy io mitovy vina amin’ny orinasa izay samy hanome vahana ny tanora malagasy sy ny talentany.
Anisan’ny tombony tamin’ny fisian’ity horonantsary ity amin’izao fotoana izao ny fanamboaran’ny Oniversiten’ny Toamasina ny « bâtiment R+3 » izay efa tsy nisy nampiasa intsony teo aloha.

Lire la suite

Articles Similaires