• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fandidiana fo eto Madagasikara : Hatsaraina, ho fampihenana ny taham-pahafatesan’ny zaza

18/09/2024 11:37 © Moov.Mg

Ankizy maro eto Madagasikara no voakasiky ny aretin'ny fo noho ny tsy fahatomombanana. Mitaky fandidiana manokana sy fahaiza-manao ara-teknika sarotra izany. Ho fanatsarana izay sehatry ny fandidiana ny zaza manana tsy fahatomombanana amin’ny fo izay, dia misy ny fivoriana iarahan’ireo mpiantsehatra rehetra, nanomboka omaly 17 septambra 2024.

Fampiroboroboana ny fandidiana fo

Talohan’ny nanokafana ny toeram-padidiana fo misokatra teny anivon’ny hôpitalin’i Soavinandriana (CENHOSOA), tamin’ny volana jolay lasa teo, dia efa natomboka tamin’ny volana aprilin’ity taona ity ny tetikasa fitiliana sy fampiroboroboana ny fandidiana fo ho an’ny zaza aty amin’ny ranomasimbe Indianina (Projet intégré de dépistage et de développement de la chirurgie cardiaque pédiatrique dans l’océan Indien). Ny fikambanana La Chaîne de l'Espoir no tompon’ity tetikasa ity ary teti-bola 1,2 tapitrisa euros no anohanan’ny Antokon-draharaha frantsay ho an'ny fampandrosoana (AFD) izany. Hopitalim-panjakana miisa 4 ao amin'ny Faritra Analamanga, Boeny, Matsiatra Ambony, ary Atsinanana no voakasik’ity tetikasa ity, miampy nosy miisa 3 ao Kaomoro. Ankizy miisa 21 000 kosa no heverina fa ho voatily ao anatin’ny tetikasa ary 180 isa no hisitraka fandidiana fo. Miompana indrindra amin’ny fampandehanana ity tetikasa ity ny fivoriana notanterahina nanomboka omaly, fa indrindra koa ho fampihenana ny taham-pahafatesan'ireo zaza manana ity olan'ny fo ity.

Fitiliana ara-potoana

Manana ny andraikitra manandrify azy avy ireo sehatra rehetra miara-miasa amin’ny fikambanana La Chaîne de l'Espoir, ao anatin’ity tetikasa ity, mba hahatrarana ny tanjona. Ho an’ny CENHOSOA manokana, dia mizara telo lehibe ny andraikitra sahaniny : ny fanohizana ny fandidiana fo mikatona eo anivon'ny Hôpitaly, izay efa natomboka ny taona 1994 ; ny fanohizana ny fandidiana fo misokatra, izay natomboka tamin'ny volana jolay 2024 ary iarahana miasa mivantana amin’ny fikambanana La Chaîne de l'Espoir, ny hôpitaly ao La Réunion, ny hôpitaly ao Nantes, azy ny hôpitaly ao Bordeaux. Ny andraikitra fahatelo farany dia ny fitarihana ny fanaovana fitiliana ireo zaza mety hanana aretin’ny tsy fahatomombanan'ny fo eto Madagasikara, sy ny fanofanana ireo mpisehatra rehetra amin'ny fanaovana io fitiliana sy fitsaboana io, mba ahafahana mitsabo sy mandray an-tanana ara-potoana ny marary, ho fisorohana ny fahafatesan'ny zaza.

Mandray anjara amin’izao fivoriana tontosaina eny anosy izao ny avy eo anivon’ny fikambanana La Chaîne de l'Espoir, ireo mpiara-miombon'antoka ahitana ny Antokon-draharaha frantsay ho an'ny fampandrosoana (AFD) sy ireo fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana maro samihafa, ary ireo mpisehatra eo anivon'ny Fahasalamana eto Madagasikara sy ao Kaomôro. Nanokatra ity fivoriana ity ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny Amiraly ASSANY Bemarivo Jeannot, nisolo tena ny Minisitry ny Foloalindahy, Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin.

Lire la suite

Articles Similaires