• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Fiatrehana ny fahavaratra : Manomboka androany ny fanazaran-tena karakarain’ny BNGRC

18/09/2024 10:12 © Moov.Mg

Tsy afa-bela amin’ny fandalovan’ny rivo-doza matetika ny Faritra Atsinanana ary mazàna ahitana tondra-drano eto amin’ny Faritra Analamanga rehefa fotoam-pahavaratra. Mba hiomanana amin’ireo karazana loza voajanahary mpahazo an’i Madagasikara, dia misy ny fanazaran-tena lehibe iraisam-pirenena (SIMEX), tanterahina eto Antananarivo sy any Toamasina, manomboka androany.

Fanamafisana ny paikady

Mila hatsaraina matetika ny fitantanana ny loza voajanahary ary hamafisina hatrany ny paikady ho fisorohana sy fiatrehana ny loza. Izany indrindra no antony anatanterahan’ny Birao Nasionaly mitantana ny Ambana sy ny Loza voajanahary (BNGRC) izao fanazaran-tena izao, izay tontosaina manomboka androany hatramin’ny 21 septambra 2024, any Toamasina sy eto Antananarivo. Tanjona ny hananana fahafaha-miatrika ny taom-pahavaratra, ao anatin’ny fahaiza-manao, ary manaraka tanteraka ny torolalana voafaritra ao anatin’ireo fepetra fototra ijoroan’ny paikadim-pirenena mikasika ny fitantanana ny tandindondoza sy ny loza (Stratégie Nationale de Gestion des Risques et des catastrophes # SNGRC).

Fanarahana ny drafitra

Amin’ny ankapobeny, isan’ny hanaovana fanazarana ao anatin’ny SIMEX ny momba ireo fihetsika tokony ampiharina mialoha, mandritra ary aorian’ny loza. Anaovana andrana fampiharana ny drafitra famindrana olona mialoha, mba hisorohana ny fahavoazana mety hitranga, noho ny rivo-doza na ny tondra-drano. Isan’ny anaovana famerenana ihany koa ny momba ny fampiasana ireo loko famantarana : maitso, mavo, mena ary manga, amin’ny fiavian’ny rivo-doza na ny tondra-drano, sy ny tokony hatao isak’ireo dingana rehetra. Isan’ny zava-dehibe, ankoatra izay, ny fizarana mameno ireo antontan-taratasy sy antontan-kevitra, toy ny "Fiche EIMA" (Enquête Initiale Multi-aléas), mba hahafahan’ireo tomponandraikitra eny ifotony manao ny tatitra mikasika ny fahavoazana, any amin’ny ambaratonga ambony.

Iarahan’ny BNGRC miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka lehibe amin’i Madagasikara, toy ny Vondrona Eorôpeanina sy ny Biraon'ny firenena mikambana misahana ny fampihenana ny tandindondoza (UNDRR), izao fanazaran-tena ho an’ny fitantanana ny loza voajanahary izao. Mandray anjara amin’izany ihany koa ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpamonjy voina.

Lire la suite

Articles Similaires