• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdat
Image
Vaovao

Tetikasa PRODUIR : Vinavina ny hanala fotaka hatramin’ny 115 000m3 amin’ny Canal C3

18/09/2024 09:15 © Moov

Nanomboka omaly ny fanadiovana ny Canal C3 miainga eny Anosibe hatreny Ambodimita. Ao anatin’ny fanohizana ny tetikasa PRODUIR izay tanterahin’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Hatramin’ny 115 000m3 ny fotaka sy fako heverina ho esorina ao anatin’io canal mirefy 12km io.

Fe-potoana hatramin’ny 2025

Tonga amin’ny asa famaranana ity tetikasa PRODUIR ity ireo tompon’andraikitra. Ao anatin’izany io fanadiovana ny canal C3 io. Heverina ho vita amin’ny volana mai 2025 ny asa rehetra amin’io fanadiovana sy fanarenana io. Asa goavana rahateo moa ity asa ity. Ilain’ny mponin’Antananarivo izany mba hialana amin’ireo fiakaran’ny rano isaky ny vanim-potoan’ny fahavaratra. Tao anatin’ny taona maro izay dia niharan’ny tondra-drano hatrany ireo faritra iva sy marefo satria tsy afaka mamoaka ny rano araka ny tokony ho izy intsony io canal io. Raha tsiahivina dia mandalo eny amin’ireo faritra marefo eto Antananarivo izy io, toy ny eny Andavamamba, 67Ha sy ny eny Antohomadinika. Nanamafy izany ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny Tanàna amin’ny filàna io tetikasa io. « Asa maika tena tsy maintsy ilaina ho an’Antananarivo ity fanadiovana ny Canal C3 ity satria hahafahana miaro sahady ireo mponina ambany toerana », hoy i Harilala Ramanantsoa. Izany indrindra no hanatanterahana azy sahady amin’izao vanim-potoan’ny hain-tany izao. Hiomanana sahady amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra.

Fanarenana fotodrafitrasa

Ankoatra io asa fanadiovana io, tanjona ihany koa ny hanarenana ny dobo fitehirizan-drano ao Anosibe sy Andavamamba. Hotanterahina amin’izany ihany koa ny asa amin’ny lakandrano mampitohy amin’ny Andriantany mirefy 900 metatra eo ho eo. Ireo hetsika rehetra ireo izay samy mikendry ny hamerina amin'ny laoniny ny fahafahan'ny fotodrafitrasa rehetra manao ny asany ka hampihena ny mety hisian'ny tondra-drano amin'ny faritra maromaro. Etsy andaniny dia efa natomboka ihany koa ny asa fanamafisana ny sisin’ny lakandrano. Hamboarina ny sisiny mba hiaro ny rano tsy hiakatra ary ihany koa hanamora ny fivezivezen'ny mpandeha an-tongotra sy ny fiara amin'ny faritra voakasika. Efa maro araka izany ny asa mandeha amin’ity tetikasa PRODUIR ity. Hanampy betsaka ny mponin’Antananarivo ny fahavitan’izany.

Lire la suite

Articles Similaires