• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

Fanatsarana fiaraha-miasa : Dinikasa teo amin’ny SENVH sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra

17/09/2024 16:40 © Moov

Nisy ny dinikasa niarahan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, androany. Tanjona tamin’izany ny mba ho fanatsarana ny fiaraha-miasa. Maro mantsy ireo tetikasan’ny Fitondram-panjakana hotanterahina eto Antananarivo Renivohitra. Misy amin’izy ireny no efa andalam-panatanterahana. Hifanome tanana araka izany ireto sampana roa ireto amin’ny fampandrosoana ny tanàna.

Fitantanana miaraka

Maro dia maro ireo tetikasa hotanterahina eto andrenivohitra ireo. Anisan’ny nivoitra nandritra io fihaonana io ny fitantanana miaraka ny fotodrafitrasa sy ireo tetikasa isan-karazany. Ao anatin’izany ny fampandehanana ny fomba fitaterana vaovao toy ny « téléphérique » sy ny « train urbain ». Ao ihany koa ny Kianja Barea Mahamasina izay mbola mitohy hatrany ny fanamboarana azy. Nifanolo-tanana araka izany ny roa tonta mba hahafahana manatanteraka izany vina izany. « Raha ny hafatra avy amin’ny Filoham-pirenena dia ny SENVH no miandraikitra ny fanatanterahana ny tetikasa. Hiarahana mitantana kosa izany mba ho fanatsarana ny tanàna. Araka izany, nisy ny fifanolorana hevitra teto amin’ny fiaraha-miasa ho avy rehetra », hoy Gerard Andriamanohisoa, Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Nandray anjara tamin’izany fivoriana izany ireo tompon’andraikitra ara-teknika sy ara-stratejikan’ny roa tonta.

Mampitovy fomba fijery

Iray ny tanjona ho an’ireto sampana roa ireto dia ny hampandroso ny tanàna izany. Araka izany, tafiditra tao anatin’ny dinik’asa ihany koa ny fampitoviana ny fomba fijery. Nisy araka izany ny ady hevitra sy ny fifanakalozan-kevitra momba ireo fomba fiasa samihafa. « Nojerena miaraka ny paikady mitovy hanatrarana ny tanjona. Ny fanatanterahana ny asa avy hatrany no tsy maintsy atao aorian’izao fihaonana izao », hoy ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny Tanàna, Harilala Ramanantsoa. Anisan’ny voaresaka tao anatin’izany rehetra izany ny fanatsarana ny fivezivezena, ny fandaminana ny tsena sy ireo fotodrafitrasa samihafa mbola vao ho tanterahina rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires