• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Mirongatra ny VIH/Sida : Ahiana ny haha-faritra mena an’i Madagasikara

17/09/2024 16:29 © Moov.Mg

Ho faritra mena amin’ny VIH/Sida i Madagasikara atsy ho atsy, raha mitohy ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Izany no isan’ny nivoitra, tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny tomponandrikitry ny fikambanana mpanao asa soa Hygeia Medical.

Fitiliana maimaim-poana

Efa nampiomana ny amin’ny mety hitrangan’izany ihany koa ny gazety-boky siantifika BMJ Global Health izay nivoaka tamin’ny volana aprily tamin’ity taona ity. Araka ny fikarohana, izay notaterin’ity gazety-boky ity, dia mety ho tafakatra 9 % hatramin’ny 24 % ny tahan’ny Malagasy mitondra ny otrikaretina VIH ao anatin’ny 10 taona, raha tsy manao ezaka mafy ny mpisehatra rehetra, amin’ny fitiliana sy amin’ny fandraisana an-tanana ireo efa mararin’ny Sida. Noho izany indrindra dia nikarakara fitiliana ho an’ireo mpanao gazety mpikambana ao aminy ny tambajotran’ireo haino aman-jery afrikanina mampiroborobo ny fahasalamana sy ny tontolo iainana eto Madagasikara, na ny REMAPSEN Mada. Ny mpanao gazety no mpampahalala ny vaovao amin’ny mpiara-belona, saingy tsy tokony hijanona ho fampahalalam-baovao fotsiny izany. Manana anjara adidy ny mijoro ho ohatra ny mpanao gazety, amin’ny maha-olom-pirenena azy, hoy Rakotondratsimba Vonona, mpandrindra nasiônalin’ny REMAPSEN Mada. Sampana iray sahanin’ny REMAPSEN rahateo ny momba ny zo ara-pananahana.

Mpanao gazety mijoro ho ohatra

Ny fikambanana Hygeia Medical, izay manana ny foiben-toerany eny amin’ny Galaxy Andraharo, no nanatanteraka ity fitiliana maimaim-poana ho an’ny mpanao gazety ity, hetsika niarahana niasa tamin’ny fikambanan’ireo firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fahasalamana ara-pananahana, Forum Génération Egalité. Tokony manao fitiliana daholo ny rehetra, indrindra ny tanora 15 hatramin’ny 24 taona, hoy Rasamiharimalala Volana, Rasazy tomponandraikitra eo anivon’ny Hygeia Medical, manoloana ny firongatry ny VIH/Sida eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Hatramin’ny taona 2022 nijoroan’ny fikambanana, dia manodidina ny 30 no isan’ny olona tonga nanao fitiliana ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, teo anivon’izy ireo. Ny 2 tamin’ireo no nahitana valiny miabo. « Tany amin’ireo tambajotra, fikambanana sy mpiara-miasa hafa izay manao fitiliana sy fanentanana momba ny fahasalamana ara-pananahana kosa, dia tsikaritra fa mitombo be ny tahan’ny olona mitondra ny VIH/Sida », hoy Rasazy. « Nisy fivoriana notanterahina niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, ka nivoitra tamin’izany fa raha ny zava-misy amin’izao no mitohy, dia tena ho lasa faritra mena amin’ny Sida mihitsy i Madagaikara », hoy izy nanamafy.


Copyright Image : © Moov - Fitiliana maimaim-poana ho an'ny mpanao gazety

Zo ara-pahasalamana

Ny firaisana ara-nofo tsy voaaro, izany hoe : ny tsy fampiasana fimailo nefa miaraka amin’olona maro, no antony voalohany mampirongatra ny VIH Sida, indrindra eo amin’ireo mpampanofa fahafinaretana, hoy ny fanazavan-drasazy Rasamiharimalala Volana. Eo ihany koa ny firongatry ny fitsindronana zava-mahadomelina « « rôrô », nefa mifandimby fanjaitra itsindronana ireo zatovo mikasika izany. Mety hampifindra ny aretina ihany koa ny fampiasana fitaovana tsy voadio araka ny fenitra, eny amin’ny mpanao tombokavatsa, ny trano fihetezana…Fa eo koa ny fiarahan’ny lahy samy lahy, saingy misy ratra ateraky ny firaisana ara-nofo ataon’izy ireo, izay varavarana misokatra ho an’ny virosin’ny sida.
Manao fitiliana maimaim-poana ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo sy ny VIH/Sida, moa ny Hygeia Medical, indrindra eo amin’ireo tanora sy eo amin’ireo olona marefo sy sahirana. Manao haitaky momba ny fiarovana ny zo ara-pahasalaman’ny vehivavy ihany koa ny fikambanana ary, manao fanabeazana aizana maimaim-poana, izay iarahany miasa amin’ny Marie Stopes Madagascar.



Lire la suite

Articles Similaires