• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Office National Du Tourisme De Madagascar
Image
Vaovao

Famokarana : Nahatratra hatramin’ny 15 000 ariary – 25 000 ariary ny kilaon’ny « cacao » tao Ambanja

17/09/2024 16:08 © Moov

Tsara ny vidina « cacao » tany Ambanja tamin’ity taona ity. Nahatratra hatramin’ny 25 000 ariary isaky ny kilao izany. Nahitana fiakarany hatramin’ny 20% kosa izany vidiny izany mihoatra ny tamin’ny taon-dasa raha ny fanazavana avy amin’ireo mpamboly. Nahitam-pahombiazana araka izany io fambolena io aloha raha ho amin’ity taona ity.

Nihena ny vokatra

Misedra ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro avokoa ny ankamaroan’ny fambolena eto Madagasikara. Hita mivaingana kokoa izany eny amin’ireo voly fanondrana. Nandalo tao Sambava ihany koa araka izany io olana io. Niaina ny tsy fahampiana rotsak’orana ny mponina tao Sambava ireo ka nampihena ny vokatra cacao. « Mahatratra hatramin’ny 15 000 taonina ny vokatra cacao eto Sambava saingy nahitana fihenana kely ihany izany tamin’ity taona ity. Ny orana mantsy no tena ilain’ny voly « cacao » ka izay no nahatonga izany olana izany », hoy ny fanazavan’ireo mpamboly. Araka izany, efa mifampianatra sy efa maro ireo fikambanana any an-toerana no mampianatra ny olona hiaro ny tontolo iainana. Io irery ihany, raha ny fanazavan’ireto mponina ireto no hahafahana manohitra io fiovan’ny toetr’andro miha-mahery vaika io.

Fambolena mora atao

Fambolena anisan’ny mora atao indrindra ny fambolena cacao. Tsara ihany koa ny manamarika fa afaka hambolena amin’ny fotoana rehetra ity voly iray ity. Mila rotsak’orana betsaka kosa anefa mba hahafahana mioty vokatra betsaka ao anatin’ny telo taona monja. Marihina fa avy any Ambanja no ahitana kalitao cacao tsara indrindra maneran-tany ary lafo indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny voly hahafahana mampitombo ny fidirambola izy io. Tsy dia mila fikarakarana betsaka raha tsy rehefa marary ny voly. Etsy andaniny anefa dia miaka-midina ny vidiny ka anisan’ny mampimenimenina ireo mpamboly

Lire la suite

Articles Similaires