• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina : Hampiasa vola amin’ny tetikasa Volobe ny Africa 50

17/09/2024 15:23 © Moov

Handray ny fivoriamben’ny Africa 50 i Madagasikara ny alakamisy 19 septambra izao. Nanatanteraka fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola niaraka tamin’ny Filohan’ny Africa 50 tamin’ity anio ity. Tao anatin’izany no nanamarihana fa hampiasa vola amin’ny Volobe ity fikambanana mpampiasa vola ity.

Tetikasa Volobe

Ankoatra ny fivoriambe dia hisy ihany koa ireo fivoriana samihafa arahina adihevitra sy fanaovan-tsonia fifanarahana vitsivitsy, mandritra io andro io. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ity tetikasa Volobe ity. « Hotanterahina amin’io alakamisy io ny fanaovan-tsonia fifanarahana eo amin’ny roa tonta momba ity fiaraha-miasa vaovao hampitomboana ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara ity. Vonona mantsy ny Africa 50 amin’ny fanampiana antsika hanatanteraka azy », hoy ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, nandritra io resadresaka tamin’ny mpanao gazety io. Tsara ny manamarika fa ity tetikasa ity dia hanampy tosika hatramin’ny 20% ny famatsiana herinaratra ho an’ny Madagasikara. Heverina hamokatra hatramin’ny 220 Mégawatts mantsy izy io. Tsy lazaina ihany koa ny maha-zava-dehibe izany filàna izany eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Angovo azo havaozina

Fampiasam-bolan’ny sehatra tsy miankina no tena ivon’ny Africa 50. Ankoatra io tetikasa Volobe io dia anisan’ny ho resahina ihany koa ny mikasika ny angovo azo havaozina sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Anisan’ny antony iray nisafidianana ity fivoriambe ity ho tanterahina eto Madagasikara rahateo izany. « Tanjon’ny fivoriana ny fampandrosoana aty Afrika amin’ny alalan’ny famatsiana tetikasa isan-karazany. Anisan’izany ny fampiasam-bola ho amin’ny angovo sy ny fotodrafitrasa. Fotoana hahafahana manao ady sisika araka izany ity fotoana ity hahazoana famatsiam-bola », hoy hatrany ny fanazavana. Araka izany, ankoatra ny Volobe dia efa maromaro ireo hevitra heverina ho resahina mandritra ny fivoriana. Tsy ho anisan’ny lahadinika kosa ny fotodrafitrasan’ny lalana sy ny sehatry ny fambolena izay efa samy misy mpamatsy vola.

Lire la suite

Articles Similaires