• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sénat De Madagascar
Image
Vaovao

Antenimierandoholona Frantsay sy malagasy : Hiara-hijery ny tombontsoan’ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana

17/09/2024 15:02 © Moov.Mg

Tonga nitsidika teny anivon’ny Antenimierandoholona eny Anosikely, omaly 16 septambra 2024, ny delegasiônina avy amin’ny Antenimierandoholona frantsay. Ny fanamafisana ny diplomasia parlemantera eo amin’ny Antenimiera roa tonta no vontoatin’ny fihaonana.

Vondrona finamanana

Delegasiônina avy amin’ny Antenimierandoholona frantsay, ahitana ireo Loholona Mpikambana ao anatin’ny vondrona finamanana « Frantsa Madagasikara sy ireo Firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina » ireto mandalo eto Madagasikara ankehitriny ireto. Betsaka ireo tera-tany frantsay miasa sy monina eto Madagasikara ary maro ihany koa ireo Malagasy no mila ravinahitra any Frantsa. Antony tokony hifanomezan’ny firenena roa tonta tanana izany, amin’ny alalan’ireo Antenimierandoholona roa tonta, ka hibahana amin’izany ny fifanakalozana traikefa. Tanjon’ny fihaonanana, araka izany, ny hanamafisana ny fifandraisana efa nisy sy ny fanatanterahana ny tetikasan'ireo Vondrona finamanana eo amin'ny Antenimierandoholon'ny firenena roa tonta, ka mba tsy hijanona ho fiaraha-miasa ara-taratasy fotsiny ny fifanarahana, fa hisy vokany sy hahazoan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefan’ny firenena roa tonta tombontsoa.

Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana

Isan’ny voaresaka tao anatin’ny dinika ihany koa ny momba ny fanatanterahana ny fihaonana antsoina hoe : « Assise de la coopération décentralisée », Izay natao hifampizarana traikefa sy hanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin'ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefanan'i Madagasikara sy Frantsa. Eto Madagasikara no hanatanterahana izany, amin’ny taona 2025 ho avy io, eo ambany fiahian'ny Filohan'ny Antenimierandoholona frantsay sy ny Filohan'ny Antenimierandoholona malagasy.

Nitarika ity delegasiônina Frantsay ity i Michel Laugier, Loholona avy ao Yvelines, niaraka tamin’ireo Loholona hafa sy Rtoa Marie-Agnès Mouton, Sekretera mpanatanteraka eo anivon'ny vondrona finamanana « Frantsa Madagasikara sy ireo Firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina ». Tonga nanotrona ny fihaonana ihany koa ny Masoivohon’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara, Guillois Arnaud. Nandray ity delegasiônina ity, niaraka tamin’ny Jeneraly Ravalomanana Richard, ny Loholon'i Madagasikara, Rabetsaroana Sylvain, izay filohan’ny vondrona finamanana eo anivon’ny Antenimierandoholona, ary ireo mpikambana sasantsasany eo anivon’ity parlemanta ity.

Lire la suite

Articles Similaires