• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Taom-pambolena 2024 : Maro ireo fotodrafitrasa ho asiam-panamboarana ao Alaotra Mangoro

17/09/2024 09:08 © Moov

Efa miomana sahady amin’ny taom-pambolena sy famokarana ho an’ny taona 2024 ny mponin’Alaotra amin'izao fotoana izao. Araka izany, notsidihan’ny Minisitra Hajarison François Sergio, Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny PC 15 Vallée Marianina mirefy 3 600 hektara, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy sy teknisianina, omaly. Tamin’izany no nanapahana hevitra fa ho maro ireo fotodrafitrasa hasiam-panamboarana ao an-toerana.

PC 15 Vallée Marianina

Hatramin’izao dia mbola sompitry ny vary hatrany ny faritra Alaotra Mangoro ho an’ny Madagasikara. Hahafahana mitazona izay fenitra iray izay dia tsy maintsy hamafisina ny famokarana vary any an-toerana. Anisan’ny mitana ny anjara birikiny lehibe amin’ny fambolena vary ny PC 15 Vallée Marianina izay manondraka velaran-tany 3 600 hektara ary miantoka ny asa famokaran’ny tantsaha miisa 3 000. Simba izy io noho ny fiovan’ny toetr’andro, ka nasiam-panavaozana sy fanarenana vonjy maika araka ny fenitra ara-teknika. Hanampy ny fanarenana ny Ministera taorian’izao fitsidihana izao. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny asa fanarenana io ary ny "Orinasa Tahina" no voatendry hanatanteraka izany. Haharitra 5 taona io asa io, ka hotohanan’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny AFD. Aorian’izay, dia hilamin-tsaina ireo tantsaha mandritra ny taom-pamokarana manaraka.

Asa haingana

Ankoatra ny Vallée Marianina dia mbola nitsidika ireo toho-drano maro samihafa ihany koa ny Minisitra. Tao anatin’izany ny tohodrano Ranoro ao amin’ny Kaominina Ilafy, Fokontany Mahatsara, ny tohodrano Fotsy, ny tohodrano Andranomangatsiaka ao amin’ny Kaominina Ambohiboromanga, Fokontany Feramanga Atsimo ary ny tohodrano mankany Amparihitody, Kaominina Ilafy, Fokontany Amparihitody. Ireo rehetra ireo izay samy mitondra rano ilaina amin’ireo tanimbary hambolena rehetra. Havaozina izy ireo araka izany mba hahazoan’ny tantsaha rano ampy sy mifanaraka amin’ny fenitra. Nifampidinihina ny fanatanterahana ny asa mba ho vita haingana alohan’ny hanombohan’ny taom-pamokarana 2024. Etsy andaniny dia miara-miasa amin’ny Riz Plus ihany koa ny Ministera amin’ity fanomanana ny taom-pamokarana ity. Kendrena ho vita mialohan’ny 15 desambra 2024 io fanomanana io.

Lire la suite

Articles Similaires