• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Miverina tsikelikely ny sosona ôzônina, tsy maintsy tohizina ny ezaka

16/09/2024 16:51 © Moov.Mg

Noho ny ezaka sy fiaraha-miasa maneran-tany, dia efa mihamiverina amin’ny laoniny ny sosona ôzônina, amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Marihina androany 16 septambra ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny sosona ôzônina.

Hihamatanjaka indray

Araka ny tombana faran'ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Tontolo Iainana (PNUE), nivoaka tamin'ny fiandohan'ny taona 2023, dia heverina fa hihamatanjaka indray ny soson'ny ôzônina ao anatin'ny efapolo taona ho avy, ka hiverina tanteraka amin'ny anjara asa maha-mpiaro ny planeta azy indray. Dingana lehibe nahatongavana tamin’izany fiverenan’ny sosona ôzônina izany ny fampiharana ireo karazana lalàna sy fifanarahana iraisam-pirenena maro. « Nahomby ny fiaraha-miasa teo amin’ny governemanta malagasy sy ny fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana, na ny PNUE, sy ny laminasan’ny firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana ara-indostrialy, na ny ONUDI, tamin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa momba ny fiarovana ny sosona ôzônina teto Madagasikara », hoy ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, tao anatin’ny lahateniny ho an’ity andro androany ity. Mila tohizina sy amafisina anefa izany ezaka izany, miaraka amin’ny firenena rehetra, hoy hatrany izy, mba hisorohana ny mety ho fahasimban’ny sosona ôzônina indray.

Fifanarahan’i Montréal

Maro tokoa mantsy ireo voka-dratsy ateraky ny lavaka miforona amin’ny sosona ôzônina, ka mahatonga ireo taratra hiantefa mivantana amin’ny olombelona sy ny zava-manan’aina. Isan’ny notanisain’ny minisitra Fontaine Max, ireo fiantraikany ara-pahasalamana, toy ny homamiadana, ny fihenan’ny hery fiarovana, ny fahajambana, sy ny fiantraikany ara-tontolo iainana, toy ny fahapotehan’ny zava-mananan’aina bitika an-dranomasina, ny fikorontanan’ny zava-maniry, fiovan’ny toetr’andro.
Lohahevitra nosafidiana hanamarihana ity andro androany ity moa ny hoe : « Fifanarahan’i Montréal : mampiroborobo ny asa ho an’ny toetr’andro ». Ny fifanarahan’i Montréal, izay mikendry ny fiarovana ny sosona ôzônina, dia mitondra fanantenana lehibe. Mampahatsiahy antsika izany fa rehefa mampiseho fahavononana politika ny firenena ary miasa ho amin’ny tombontsoa iombonana, dia azo atao ny manova zavatra », hoy i António Guterres, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, tao anatin’ny kabariny ho fanamarihana ny andro androany.

Lire la suite

Articles Similaires