• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn Telma
Image
Vaovao

Salon Voatra : Hampiroboroboana ny fahaizana mamorona ny andiany faha-11

16/09/2024 16:41 © Moov

Miha-mitombo ny fakan-tahaka amin’ny famoronana orinasa eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Hiadiana amin’izany indrindra ny andiany faha-11 amin’ny Salon Voatra. Hotanterahina eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny 2 hatramin’ny 5 okotobra izao izany hetsika izany. Notanterahina teny amin’ny Chambre de Commerce Internationale Antananarivo (CCIA), tamin’ity anio ity ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety momba ny hetsika.

Hikaroka fahasamihafana

« Zary lasa mitovy foana ny zavatra hita eny anivon’ny tsena rehetra eny. Mbola zatra maka tahaka loatra ny Malagasy », hoy i Rivo Rakotondrasanjy, Talen’ny CCIA. Araka izany, nosafidiana manokana mihitsy ireo orinasa hampiranty ny vokany amin’ity taona ity. Nisy araka izany ny fepetra notakiana tamin’ireo orinasa ka izay nahafeno izany ihany no afaka mandray anjara. « Tsy maintsy manana vokatra miavaka amin’ny mahazatra. Ao ihany koa ny tokony hananana fahaizana mamorona tena miavaka avy amin’ireo orinasa ireo », hoy hatrany ny fanazavana. Tsara moa ny manamarika fa fotoana iray hanomezana fahafahana ho an’ny mpandraharaha haneho sy hampahafantatra ny vokatra sy fahaiza-manaony ny Salon Voatra. Araka izany, hifantoka amin’ny fanavaozana sy ny fanolorana ireo singa mampiavaka ny tsirairay ity andiany faha-11 ity.

Trano heva 60

Trano heva miisa hatramin’ny 60 no handray anjara mandritra ireo efatra andro ireo. Orinasa malagasy, madinika sy salantsalany ary tsy miankina, voasafidy tsara no hanatanteraka izany. Anisan’ny fotoana iray natao hampahafantarana ny orinasa vao misondrotra ihany koa ity Salon ity. Samy hitondra zava-baovao indrindra izy ireo amin’ity andiany ity mba hahafahana mahita ny fahasamihafana ary indrindra hahafahana manatanteraka ny fifaninanana ao anatin’ny sehatry ny fihariana. Araka izany, mandritra ireo efatra andro, ankoatra ny fampirantiana dia hisy ihany koa ireo famelabelaran-kevitra ho fanavaozana sy fanatsarana ny famoronana ; eo ihany koa ny « rencontre B to B » sy ireo fifaninanana mikasika ny vokatra vaovao samihafa. Ankoatra izany, samy hitondra ny mampiavaka azy avokoa ireo orinasa manohana ny hetsika. Ao anatin’izany ny Telma Madagasikara, ny Gate Company ary ao ihany koa ny Star Madagascar.

Lire la suite

Articles Similaires