• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tsiareke Jean Pascal
Image
Vaovao

Tsy fandriam-pahalemana : Olona maherin’ny 100 tsy manan-kialofana noho ny asan-jiolahy tao Androy, Kaominina Imanombo

16/09/2024 15:50 © Moov

Takaitran’ny tsy fandriam-pahalemana. Olona maherin’ny 100 amin’izao fotoana izao no tsy manan-kialofana noho ny fisiana asan-jiolahy tao Andritsakambo, Kaominina Imanombo, ao amin’ny faritra Androy. Zaza amam-behivavy no betsaka amin’izany.

Dahalo mirongo fitaovam-piadiana

Raha tsiahivina, nitrangana fanafihana dahalo mahery vaika ny volana Aogositra lasa teo ny tanànan’Andritsakambo, Fokontany Andebegne, Kaominina Imanombo. Dahalo miisa 64 mirongo basy no nanao ny fanafihana. Lasa tamin’izany ny omby 120 ka tsy tafaverina tamin’ny tompony intsony noho ny hamaroan'ireo dahalo ka tsy nahatohitra ireo fokonolona. Taorian’izany, ny 12 septambra teo indray dia naharay vaovao fa misy dahalo iray naratra tamin’ny fifandonana nisy teo amin’ny fokonolona tompon'omby. Nikasa handeha ireo fokonolona hanao ny fisamborana io dahalo voatondro io ka teo no nisian’ny fifandonana indray. Tao anatin’izany dia dahalo maherin’ny 400 lahy mirongo basy indray no niandry azy ireo tao ka avy dia nitifitra avy hatrany ireto dahalo ka izay no nahafaty ny iray tamin’ireo fokonolona. « Ny tena mahavariana anay dia mitondra fitaovam-piadina sy basy hatrany ireo jiolahy ireo. Tsy misy azonay atao anefa satria rehefa niantso ny mpitandro filaminana ihany koa izahay dia tsy tonga izy ireo », hoy ny fitantaran’ireo mponina. Izany no mahatonga ireto mponina ireto sahirana amin’izao fotoana izao.

Nandoro tanàna

Taorian’ny tsy nahafahan’ireo fokonolona nanohitra intsony dia niroso tao amin’io tanàna io ihany ireo dahalo ireo ka nandoro indray ilay toerana nahaverezana omby. Trano miisa 48 tafo no may kilan’ny afo, lasa ny entana rehetra, ary ny ambiny izay tsy nilain’izy ireo dia nodorany avokoa. Tetsy andaniny dia mbola niverina izy ireo ary naka osy 150 sy omby dimy indray teo amin’io toerana io hatrany. Vokatr’izany dia olona maheriny 100 no traboina amin’izao fotoana izao ary tena tsy manan-kialofana. Amin’izao fotoana izao araka izany dia mbola miandrandra ny fitondram-panjakana ireo mponina ireo ny amin’ny fanampiana sy fitsinjovana azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires