• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marie Michelle Sahondrarimalala
Image
Vaovao

Fampianarana ankapobeny : Miisa 659 000 ireo aron’akanjo ho zaraina amin’ireo mpianatry ny EPP

16/09/2024 14:37 © Moov

Miisa hatramin’ny 659 000 ireoa aron’akanjo ho zaraina ho an’ireo mpianatry ny Sekoly fanabeazana fototra (EPP) manerana ny Nosy amin’ity taom-pianarana 2024-2025 ity. Mandeha tsikelikely izany ary efa mandeha ihany koa ny fizarana amin’ny faritra sasany. Mamaly indrindra ny Fampanantenan’ny Filoham-pirenena izay hanolotra aron’akanjo ho an’ireo mpianatra rehetra izany asa izany.

Fandaharan’asa Fihariana

Tafiditra ao anatin’ny Fandaharan’asa Fihariana no hanatanterahana ity vina ity izay hiarahany miasa amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Fikambanam-behivavy maro no notoloran’ny Fihariana fampiofanana momba ny zaitra. Izy ireo ihany no nahazo ny tsenan’asa amin’ny fanamboarana ireto aron’akanjo ho an’ny mpianatra ireto. « Sady hanampy azy ireo amin’ny fidiram-bolany ihany koa ity asa ity. Marihina ihany koa fa hanampiana ireo vehivavy sahirana sy mananontena ihany koa ny asa izay hampanaovina azy ireo », hoy ny Filohan’ny Fikambanana Miotisoa izay ansian’ny nahazo tohana avy amin’ny Fihariana. Nanomboka ny 4 septambra 2024 lasa teo dia fikambanam-behivavy miisa 43 no nisitraka izany fampiofanana izany teto Analamnga. Efa nanomboka ny 2 septambra kosa ny tany amin’ny faritra Matsiatra Ambony, fikambanam-behivavy miisa 43 ny tany an-toerana. Aron’akanjo miisa 4382 no efa voazaitran’ireo fikambanam-behivavy tao Matsiatra Ambony ireo ary vehivavy miisa 452 no nanjaitra izany.

Haparitaka manerana ny Nosy

Tsy hijanona amin’ireo faritra roa ireo irery ihany ny fampiofanana. Tsara ny manamarika fa ny faritra Matsiatra Ambony sy Analamanga no faritra filamatra amin’ity fanjaraina aron’akanjo ho an’ny mpianatra eny amin'ny EPP ity. Araka izany, hahafahana manatratra ny tanjona dia fikambanam-behivavy avy amina faritra 21 no hahazo fiofanana amin’ny fanjairana aron’akanjo manomboka amin’ity anio ity. Raha io tanjona io moa dia ny mpianatra rehetra eny anivon’ny EPP no hisitraka izany aron’akanjo izany. Natao indrindra izany mba hahafahana manavaka ireo mpianatra tsirairay. Efa maro amin’izao fotoana izao ireo mpianatra efa misalotra izany ary mbola hahazo ny anjarany ireo hafa.

Lire la suite

Articles Similaires