• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ferme De Laniera
Image
Vaovao

Ferme de Laniera : Mamokatra vokatra avy amin'ny ronono tsy misy fangarony

16/09/2024 12:50 © Moov

Vokatra avy amin'ny ronono zato isan-jato. Yaourt, dobera, skir, ary fromazy, ireo aloha amin'izao fotoana izao no karazana vokatra hita ao amin'ny Ferme de Laniera. Samy tsy ahitana vokatra simika avokoa ireo rehetra ireo raha ny fanazavana. Nandray anjara tamin'ny Foire Internationale de l'Agriculture ihany koa izy ireo ny herinandro teo ary isan'ny nahaliana ny mpitsidika izany.

Fandraharahana mbola malalaka

Anisan'ny karazana fandraharahana mbola malalaka eto Madagasikara ny tontolon'ny famadihana fiompiana sy fambolena ho sakafo (transformation alimentaire). Tafiditra ao anatin'izany sehatra izany ny Ferme de Laniera. Mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny andavan'andron'ny mponina rahateo ny sakafo. Raha ho an'ity orinasa iray ity izao dia vokatra azo jifaina ho an'ny olon-drehetra no vokarin'izy ireo. " Mety ho amin'ny fahasalaman'ny zaza sy ny lehibe ny vokatra satria tsy misy akora simika na kely aza. Ny tsiro amin’ny yaourt kosa no miankina amin’ny voankazo izay misy amin’ny vanim-potoana. Atreto ihany koa dia mbola tsy mahafeno ny filàn'ny tsena ny vokatra noho izay kalitao izay", hoy i Aina Rakotondralambo, Talen'ny Ferme de Laniera. Izany rehetra izany dia afaka manambara fa mbola tena malalaka ny tsena ao anatin'ity fandraharahana ity. Maminavina ny hiara-hiasa amin'ny mpamokatra ronono hafa izy ireo mba hahafahany mampitombo ny vokatra.

Niainga tamin'ny fiompiana fotsiny

Nanomboka tany amin'ny taona 2016 tany no nitsanganan'ny Ferme de Laniera. Niantomboka tamin'ny fiompiana omby vavy be ronono miisa 11 fotsiny izy tamin'izany fotoana izany. Ankehitriny kosa dia efa maherin'ny 70 ny isan'ireo omby vavy. Izy ireo ihany no mikarakara sy mamelona ny Ferme izay hahafahana mamokatra ronono ho avadika ireo vokatra samihafa ireo. " Ronono eo amin'ny 250 litatra hatramin'ny 300 litatra isan'andro eo no azonay amin'izao. Avy hatrany dia havadika ho vokatra ireo ao anatin'izany", hoy hatrany ny fanazavana. Misedra olana kosa anefa izy ireo amin'ny tsy fahampian'ny tany hambolena ireo sakafon'omby toy ny vilona. Eo ihany koa ny fahatapahan-jiro izay manimba ny vokatra. Raha tsiahivina mantsy dia tsy misy akora simika fitehirizana ireo vokatra fa ny hatsiaka ihany no tena ilainy ao anatin'izany. Etsy andaniny anefa dia sehatra mbola azo trandrahina foana ny fiompiana sy ny fambolena ary tsy natao ho an’ny olona any ambany vohitra irery izany.

Lire la suite

Articles Similaires