• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cpo Mention Economie Ua
Image
Vaovao

Oniversiten’Antananarivo : Nitsangana ny « Mouvement Avana » ho an’ny fandriam-pahalemana

13/09/2024 16:22 © Moov

Hetsika ho an’ny fandriam-pahalemana eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, izay no hisokajiana ny Mouvement Avana. Najoro tamin’ity herinandro ity ny Mouvement izay novolavolain’ny Mpianatra ao anatin’ny Club pour l’ONU (CPO) an’ny Sampam-pianarana toekarena. Rafitra iray hivondronan’ny mpianatra avy amin’ny faritra rehetra izy ity ary natao handaminana ny fandriam-pahalemana.

Hampiraisana ny mpianatra

Tetikasa novolavolain’ireto mpianatra ao amin’ny sampana toekarena ireto ao anatin’ny Projet IRF Tanora ity Mouvement Avana ity. Natao indrindra izany hampiraisana ny mpianatra rehetra avy amin’ny foko sy ny faritra rehetra misy eto Madagasikara. Hisy ny solontenan’ny mpianatra sy ny fikambanana isaky ny faritra ao anatin’io Mouvement io. « Tanjona amin’ity hetsika ity ny hisian’ny filaminana eny anivon’ny anjery manontolo. Tsikaritra fa mitombo hatrany ny adi-poko sy ny fanavakavahana rehefa tsy mifanara-tsaina ny mpianatra. Hialana amin’izany no anton’ity hetsika ity », hoy i Andrianantenaina Tiavina, anisan’ireo namolavola ny hetsika. Marihina fa ahitana ny mpianatra rehetra avy amin’ny faritra 23 ny Oniversiten’Antananarivo. Mazava ho azy fa maro ny fahasamihafana amin’ny fomba fanao sy ny fomba fijery. Hoezahina hampifandraisina izany amin’ity hetsika ity.

Ivon’ny hetsika ny 20 septambra

Amin’izao fotoana izao izany dia efa tafiditra ao anatin’ity Mouvement ity avokoa ny solontenan’ny mpianatra rehetra. Araka izany, hisy ny ivon’ny hetsika izay hotanterahina ny 20 septambra izao. Hetsika ara-kolontsaina izany ary natao indrindra hampahafantarana ny maha izy azy ny faritra tsirairay. Ho hita ao anatin’izany ny fifaninanana ady hevitra, ny fampahafantarana ny fihaviana tsirairay ary ny mitabe. Handray anjara amin’izany avokoa ireo fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra rehetra. Ao anatin’izany ny filohan’ny fikambanana sy ireo mpikambana rehetra. Ankoatra izay, hanasana ny rehetra izay liana rahateo ihany koa ny hetsika ho fampiroboroboana ny fandriam-pahalemana.

Lire la suite

Articles Similaires