• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Famokarana angovo : Miroso ny asa fanodinana ny fakon’Andralanitra ho lasa angovo

13/09/2024 12:51 © Moov

Miara-miasa tanteraka ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatanterahana ilay tetikasa lehibe fanodinana ny fako ho angovo. Nisy ny fidinana ifotony teny Andralanitra nijerevana ireo paikady ho amin’ny fanatanterahana izany. Nanatanteraka izany ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, sy ny avy amin'ny Ministeran'ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, niaraka tamin’ ny Delegasiona avy any Zimbabwe.

Herinaratra 16MW hatramin'ny 22MW

Araka izany, ireto avy any Zimbabwe ireto no hanampy ny Fanjakana malagasy amin’ity tetikasa ity. Manam-pahaizana manokana mikasika ny fitantanana ny fako, mivondrona eo anivon’ny orinasa « Geo Pomona Waste Management Ltd » ireto matihanina ireto. Ny fanodinana ireo fako plastika eto Andralanitra ho angovo no tanjona amin’ny fiaraha-miasa. Nanambara izy ireo fa ny toerana misy fako mitoby, dia afaka hamokarana herinaratra 16MW hatramin'ny 22MW. Ho afaka ampitomboina hatramin’ny avo valo heny kosa izany, arakaraky ny habetsahan'ny fako eo amin'ny toerana iray. Raha ho an’Andralanitra manokana dia fako manodidina ny 700 taonina isan’andro no mitoby ao. Araka izany, afaka ny hamokatra angovo betsaka ho afaka hampiasaina eto Antananarivo izany. Izao dia tafiditra ihany koa, amin’ny fiahiana ny tontolo iainana, ka mahatonga antsika milofo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara.

Vokatra hafa

Na dia betsaka hatrany aza io fakon’ny mponin’Antananarivo io dia mbola hisy ny hahafahana mitrandraka azy. Ankoatra ny angovo dia manana vina ny hamadika ireo ho lasa zezika sy entona ihany koa ny Fanjakana. Ao anatin’izany, raha tsiahivina, efa tokony ny volana jolay teo no nanomboka ny asa fananganana ny toby voalohany fanodinana ny fako. Amin’ny volana jolay 2025 kosa no heverina hanomboka hihodina sy hamokatra ilay entona “biométhane” ny tetikasa. Andrasana izany asa rehetra izany amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires