• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn Telma
Image
Vaovao

Famokarana : Hanomboka hamokatra masomboly vary safiotra eto Madagasikara

13/09/2024 11:09 © Moov

Ho fanatrarana ny vinan’ny Filoham-pirenena momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hanomboka hamokatra masomboly vary safiotra amin’izay ny eto Madagasikara. Hatomboka amin’ny velaran-tany 2 000 ha any Morondava izany hoy ny Sekereteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo, nandritra ny fanokafana ny Foire Internationale de l’agriculture (FIA) omaly

Fahavitan-tena ara-tsakafo

Raha tsiahivina, manana vina ny tsy hanafatra vary intsony isika eto Madagasikara. Izany indrindra no antony hanapariahana ity voly vary safiotra ity manerana ny Nosy. Amin’ny ankapobeny, mamokatra vary milanja 12 taonina isaky ny hektara ity karazam-bary ity. « Hanampy antsika amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany vokatra izany. Amin’izay fotoana izay isika dia tsy hanafatra intsony fa mety hanondrana mihitsy aza », hoy ny Sekreteram-panjakana eo anivon'ny fiadidina ny Repoblika miadidy ny fahavitantena ara-tsakafo, Tahian'Ny Avo Razanamahefa. Nanamarika ihany koa ity Sekreteram-panjakana ity fa efa faritra miisa 8 amin’izao fotoana izao no mampihatra ny fambolena ity vary safiotra ity ary nahazoana vokatra tsara izany. Anisan’ny tanjona amin’ity karazana vary ity ihany koa ny hahatonga an’ny Madagasikara ho sompitra ny famokarana vary eto amin’ny Ranomasim-be Indianina sy eto Afrika manontolo.

Paikady hafa

Ao anatin’izany ezaka rehetra mila tratrarina izany ihany koa dia efa namolavola paikady maro hafa ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana. Iray ny tanjona dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo. « Efa ao anatin’ny paikady efa mipetraka amin’izany ny fampiakarana ny voka-bary amin’ny alalan’ny fampitomboana ny velaran-tany. Eo ihany koa ny famelomana ireo ozinina mpamokatra zezika izay fiarahamiasa amin’ny sehatra tsy miankina », hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Hajarison François Sergio. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanapariahana ireo teknikam-pambolena efa nahazoana vokatra tsara. Ohatra ny fampiroboroboana ny fambolena amin’ny velaran-tany ngeza sy ny teknika PFUMVUDZA. Ireo rehetra ireo izay efa mandeha avokoa ny fanandramana mba hahafahana mampihatra azy manerana ny faritra rehetra. Tsara ny manamarika fa efa ao anatin’ny vinan’ny Fitondram-panjakana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ka izay indrindra no anton’ireo paikady ireo.

Lire la suite

Articles Similaires