• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Association Des Étudiants En Sociologie De Madagascar
Image
Vaovao

Fampianarana ambony: Hotanterahina ny 19 sy 20 septambra ny Salon de l'étudiant ho an'ny Oniversiten'Antananarivo

13/09/2024 09:53 © Moov

Fiomanana sahady amin'ny taom-pianarana 2024-2025 eny anivon'ny fampianarana ambony. Hanatanteraka ny "Salon de l'étudiant" indray ny Oniversiten'Antananarivo ny 19 sy 20 septambra izao. Fotoana iray lehibe ho an'ireo izay vao nahazo ny mari-pahaizana bakalôrea na ireo izay te hahalala fotsiny ihany izany.

Mbola anisan’ny toeram-pianarana mahaliana ny mpianatra Malagasy hatrany ny Oniversitem-panjakana amin’izao fotoana izao. Feno hipoka hatrany ny « salon de l’étudiant » rehefa fotoanany ary amana’aliny hatrany ireo te hiditra manatanteraka ny fifaninana sy manatitra antontan-taratasy. Mandritra iny salon iny ireo mpianatra manana ny mari-pahaizana bakalôrea no misafidy ny sampam-pampianarana tiany hanohizana ny fianarany. Miainga avy amin’ny hetahetany izany, na amin’ny fahaizany, na amin’ny faniriany ary na avy amin’ireo tanjona tiany tratrarina. Eo amin’ny Esplanade Ankatso indray araka izany no hahahafahan’ireo mpianatra misafidy ny fianarany tiany ho ratovina. Roa andro no hanatanterahana izany izay hahafahan’ireo mpianatra ireo misafidy tsara.

Toeram-pianarana miisa 10

Hampiranty sy hampahafantatra ireo sampam-pianarana misy ao aminy tsirairay avy ireo Toeram-pianarana miisa 10 ao anatin’ny Oniversiten’Antananarivo. Ao anatin’izany ny,ny Faculté de Droit et des Sciences Politique, Faculté d'Economie, de Gestion et de Sociologie ; Faculté des Lettres et Sciences Humaines ; Faculté de Médecine ; Faculté des Sciences ; Ecole Normale Supérieure ; Ecole Supérieure Polytechnique d'Antananarivo ; Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques ; Institut d'Enseignement Supérieur d'Antsirabe Vakinankaratra ( Université du Vakinankaratra ) ary ihany koa ny Institut d'Enseignement Supérieur de Soavinandriana Itasy ( Université de l'Itasy ). Ahitana samam-pampianarana amin’ny karazany maro ireo toerana ireo. Hisy ny fanazavana sy ny fampahafantarana izany rehetra izany mandritra io « salon de l’étudiant » io. Marihina fa misy amin’ireo sekoly no tsy maintsy fifaninanana (concours) no hahafahana miditra ao. Misy ihany koa ireo fifantenana antontan-taratasy (sélection de dossier). Arakaraka ny sampam-pianarana tiana hidirana no manavaka izany.

Lire la suite

Articles Similaires