• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Facebook
Image
Vaovao

Antananarivo : Nodimandry ny Filohan’ny Delegasiona Manokana teo aloha Richard Ramanambitana

13/09/2024 09:10 © Moov

Vaovao nahataitra ny mpanao politika omaly hariva. Nodimandry teo amin’ny faha-55 taonany ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny tanànan’Antananarivo (PDS) teo aloha, Richard Barjhon Ramanambitana.

Mpanao politika

Mpanao politika ny tenany. Talohan’ny nanendrena azy ho PDS ny tanànan’Antananarivo ny 27 febroary 2024 lasa teo dia efa loholon’ny Madagasikara ihany koa izy. Nandritra izany fotoana izany no naha Filohan’ny Vaomieran’ny sosialy, kolontsaina ary ny serasera ny tenany tao amin’io andrim-panjakana io. Etsy andaniny dia filohan'ny Isika rehetra FIkambanana (IFI) ihany koa ny tenany. Ity vovonana ity izay niara-dia tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hatrany hatramin’izay. Nandritra ny naha-PDS azy ihany koa dia maro ireo fanovana azo lazaina ho nivaingana teto amin’ny Renivohitr’i Madagasikara. Ao anatin’izany ny fandoavana tsy tapaka ny karaman’ireo mpiasa sy ny fanalana ireo fako nivangongo teto Antananarivo. Azo lazaina ho olom-pirenena nametraka tantara teo amin’ny tontolon’ny politika izy nandritra ireo fotoana rehetra nidirany tao amin’io tontolo io. Azo lazaina ho nametraka ny toerany tsara ihany koa ny tenany teo amin’ny lafiny ara-tsosialy ho an’Antananarivo.

Antony manjavozavo

Hatramin’izao dia mbola tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. Raha tsiahivina mantsy dia tojo tsy fahasalamana ny tenany ka voatery nalefa tany ivelany nitsabo tena. Izany no heverina nihombo ka nahatonga izao fahafatesany izao. Nametra-pialana tsy ho PDS intsony ihany koa ny tenany ny volana aogositra teo ary tsy tonga ihany koa tamin’ny fifamindram-pitantanana tamin’ny PDS vaovao, Harilala Ramanantsoa. Raha ny fanazavana hatrany dia mbola nitsabo tena izy tamin’izany fotoana izany. Araka ny fandaharam-potoana raha tsy misy ny fiovana dia entina etsy amin'ny lapan'ny tanàna Analakely ny nofo mangatsiakany androany 13 septambra. Ho tanterahana ny alatsinainy 16 septambra 2024 ny fanaterana azy eny Tsitakondaza Fihaonana Andranovelona aorian’izany.

Lire la suite

Articles Similaires