• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Hetsika « Foire et Festival Régional Analamanga » : Hanehoana ny mampiavaka ireo Distrika 13

12/09/2024 19:45 © Moov.Mg

Marobe ny karazana hetsika tanterahina amin’ireo Faritra sy Distrika manerana an’i Madagasikara, fa manana ny azy ihany koa ny eto amin’ny Faritra Analamanga. Andiany faharoa no hotontosaina amin’ity taona ity.

Carnaval lehibe

Ny 20 sy 21 ary 22 septambra izao no hanatanterahana ny « Foire et Festival Régional Analamanga », eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Sady hetsika ara-kolontsaina izy ity no hetsika ara-toekarena ihany koa. Aorian’ny fanokafana azy amin’ny fomba ôfisialy, ny zoma 20 septambra maraina, dia hisy ny « carnaval » lehibe hatao eny Analakely, miainga eo amin’ny hôtel Le Glacier, handalo ny manoloana ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, hihazo ny garan’i Soarano, hiverina hiakatra mankany amin’ny tonelina Ambohidahy, ary hifarana ao amin’ny Kianja Barea. Ao indray no hahitana ireo trano heva aman-jatony, izay samy haneho ireo vokatra mampiavaka ireo Distrika 13 mandrafitra ny Faritra Analamanga, na eo amin’ny lafiny fambolena izany, na fiompiana, na jono, na taozavatra… Hanana trano heva ao ihany koa ireo fitaleavana rehetra mitantana ny Faritra Analamanga, hampahafantatra ny asa tanterahiny avy, ho fampandrosoana ny Faritra.

Maimaim-poana

Amin’ny maha-hetsika ara-kolontsaina ny « Foire et Festival Régional Analamanga » ihany koa, dia hisy hatrany ny « podium », ary mpanakanto isan-karazany no hanafana ny fotoana, raha tsy hitanisa afa-tsy i Ceasar, Samoela sy Njakatiana. Hamaranana ny hetsika, ny 22 septambra hariva, ny afomanga lehibe.
Manohana izao hetsika izao ny orinasa Telma Madagascar, noho ny « Foire et Festival Régional Analamanga » mampiray ny olona rehetra, amin’ireo karazana hetsika marobe atolony, araka ilay teny manentana nosafidian’ny Telma manao hoe : « Isika Iray », araka ny fanazavan’i Eli Raharimanjato, avy eo anivon’ny orinasa Telma.
Ny olon-drehetra tsy an-kanavaka no asaina ho avy handray anjara amin’ity hetsika « Foire et Festival Régional Analamanga » ity, ka izany indrindra no nanaovana azy ho maimaim-poana, tsy misy vidim-pidirana.

Lire la suite

Articles Similaires