• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Vaovao

Tarika Mada Feo : Manandratra ny gadona « a cappella »

12/09/2024 15:46 © Moov.Mg

Tsy dia misy firy ny tarika mpihira mivoy ny gadona « a cappella » eto Madagasikara. Iray amin’ireo vitsy dia vitsy miompana amin’izany filalaovana feo fotsiny izany ny tarika Mada Feo, izay isan’ireo handray anjara amin’ny hetsika Angaredona Mozika Festival andiany faha-18.

Mpilalao feo

Tamin’ny taona 2013 no niforona ny tarika Mada Feo, noforonin-dRajery niaraka tamin’i Rija Kely. 4 mirahalahy izy ireo no mandrafitra ny tarika : Rija Kely, Jim eo amin’ny feo beso, Bosco miangaly ny feo ambony ary i Tojo no milalao ny feo faharoa sy fahatelo. « Tsy nisy mpanakanto niangaly ny « a cappella » teto Madagasikara, afa-tsy ry Salala angaha, tamin’izany fotoanany. Izany indrindra no nahatonga anay nanapa-kevitra ny hamorona ny tarika Mada Feo », hoy ny fanazavan’i Rija. Mivelatra amin’ny karazan-kira maro avy eto Madagasikara moa ny tarika, ka samy iangalian’izy ireo avokoa, manomboka amin’ny kalo avy eto an-kibon’Imerina ka hatramin’ny mozika avy any Atsimon’ny Nosy. Ny mampiavaka azy kosa dia ny feo no lalaovina, fa tsy mampiasa zava-maneno mihitsy.

Raki-peo voalohany

Na efa ho folo taona aza izao no nisian’ny Mada Feo, dia tsapa ihany fa mbola somary sahirankirana ny malagasy amin’ny fandraisana ny gadona « a capella », raha ny fahatsapan’i Rija Kely azy. Na izany aza, nohamafisiny kosa fa manan-tsofina mahay mozika ny Malagasy, ka noho izay antony izay dia efa miditra tsikelikely amin’ny fankafizana ny feo fotsiny ny mpitia mozika, hoy hatrany ny fanazavany. Etsy an-daniny, isan’ny fahasarotana atrehin’ny tarika ihany koa ny fandraisam-peo, satria mila tena marina tsara sy tonga lafatra mihitsy ny feo re any anaty raki-kira, hoy i Rija, fa tsy mitovy amin’ny hira arahina mozika. Na izany aza, efa eo an-dalam-pikarakarana ny raki-peony voalohany ny tarika Mada Feo ankehitriny. « Tsy ho dilan’ity taona 2024 ity ny fivoahan’izany ary hira miisa 8 no ho vorakitra ao anatiny », araka ny nambaran’i Rija.

Angaredona Mozika Festival

Maro ihany kosa ireo dingana efa nolalovan’ny tarika Mada Feo, tao anatin’izay folo taona latsaka kely izay. Efa im-betsaka no nandraisan’izy ireo anjara tamin’ny Angaredona Mozika Festival, ary mbola ho isan’ireo mpandray anjara ihany koa izy ireo amin’ity andiany faha-18 ity, izay hotontosaina ny 21 sy 22 septambra izao, eny amin’ny Naturia Palm. Natokana ho fanomezam-boninahitra an’i Fanaiky, ilay mpanakanto mpitendry basy, izay vao lasa any amin’ny varo-tsy mifody moa ity andiany ity.
Isan’ny efa nahitana ny tarika Mada Feo, ankoatra izay, ny Festival Mamahoaka tany Antsirabe sy ny Fety Gasy, tany La Réunion. Nandritra ity farany, dia nisy fahatsiarovana tena nanamarika ny tarika, notantarain’i Rija : niara-niasa tamin’ny tarika Kiltir Maloya avy ao La Réunion, ny tarika Mada Feo. Miangaly ny zava-maneno fotsiny ny tarika Kiltir, nampivadiana tamin’ny feo fotsiny izay lalaovin’ny Mada Feo ny mozikan’izy ireo, ka « zavatra nahafinaritra, tena nipoaka be mihitsy » no vokatra azo.
Mampanantena ny hanolotra mozika hafakely, araka izany, ny tarika Mada feo, mandritra ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny Angaredona Mozika Festival sy ao anatin’ny raki-peo vao havoakan’izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires