• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Tafika an-dranomasina: Hananganana seranan-tsambo miaramila vaovao ao amin'ny faritra Melaky

12/09/2024 15:34 © Moov

Nidina ifotony tany Maintirano ny Amiraly Tsiriniaina Gabriel, Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika an-dranomasina na ny CEMMN ny talata sy alarobia teo. Nandritra izany no nanambarany fa ho atsangana ao an-toerana ny seranan-tsambo miaramila na ny « Base Marine » vaovao. Hanampy amin'ny fampivoarana ny tafika an-dranomasina no tena ilaina izany.

Tafika maoderina

Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanitsiandrafitra sy ny fanaovana ny Tafika ho maoderina ny fananganana fotodrafitrasa maro ahafahana mampandroso sy mampivelatra haingana ny asa. Izany indrindra no anton'ity asa fananganana ity. Etsy andaniny dia tsy ho an'ny tafika an-dranomasina irery ihany izany fampivoarana andrasana izany. " Hanampy tosika ny fampivoarana sy fampandrosoana iny Faritr’i Melaky iny ny fametrahana izany fotodrafitrasa lehibe izany", hoy hatrany ity lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika an-dranomasina ity. Amin'ny ankapobeny mantsy dia manana adidy amin'ny fampiofanana sy fiarovana ireo mpiandriaka andranomasina ireto tafika ireto. Nisy avy hatrany araka izany ny dinika nifanaovana teo amin’ireo solontenam-panjakana any an-toerana. Nitarika izany ny Goverinoran’ny Faritr’i Melaky sy ny Prefen'i Maintirano, ary natrehin’ireo rantsamangaika rehetra voakasik’ity vina ity.

Hafainganina ny asa

Taorian'izany fivoriana sy dinika izany dia niroso avy hatrany tamin'ny fanatanterahana ny tetikasa ireo Tompon'andraikitra rehetra. Nijery ireo trano hanaovana birao sy hitoeran'ny miaramila avy hatrany ireo tompon’andraikitra nandritra ireo fidinana tany an-toerana ireo. Naneho ny fahavononana izany fa ho tanterahina haingana ny vina. Efa vonona sahady ihany koa ireo avy ao an-toerana hanolotra ny trano vonjimaika hanampy amin’ireo dingana hanatanterahana izany asa goavana izany.

Lire la suite

Articles Similaires