• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vetsonkira
Image
Vaovao

Tarika Vetsonkira : Hivoaka mialohan’ny faran’ny taona ny raki-peo faha-4

11/09/2024 16:16 © Moov.Mg

Mankalaza ny faha-15 taonany amin’ity taona 2024 ity ny tarika Vetsonkira. Ny fiangaliana indray ireo hira katôlika be mpankafy no nahafantarana azy ireo, tany am-piandohana. Ankehitriny kosa dia efa manana ny hirany manokana ny tarika ary mikasa ny hamoaka izany ao anaty raki-peo.

Nahazo traikefa

Betsaka ny traikefa azo tao anatin’izay 15 taona nijoroan’ny tarika izay, hoy i Rija kely, izay nahafahana nanatsara hatrany ny seho an-tsehatra notontosaina tao anatin’ny taona nifandimby. « Tsy mitovy mihitsy ny fampisehoana natao tany amin’ny taona 2009 sy ny ankehitriny… Mitaky zavatra tonga lafatra kokoa sy fanampiny foana ny mpijery », hoy izy. Vao avy nanatontosa fitetezam-paritra tany Atsimon’i Madagasikara tany moa ny tarika Vetsonkira ary hijanona kely eto an-drenivohitra aloha, mandritra ny iray volana eo ho eo, hamaly ny fangatahan’ireo mpankafy eto Antananarivo, mialohan’ny handehanana any amin’ny tapany Atsinanan’ny Nosy indray.

Gasigasy mafana

Ao anatin’izany fandaharam-potoana feno dia feno izany, dia sady manomana ny raki-peon’izy ireo faha-4 ihany koa ny tarika Vetsonkira. Ho tsangambaton’ny faha-15 taona niorenan’ny tarika ity raki-kira ity, izay hatonta amin’ny endrika « clé USB ». Araka ny resadresaka nifanaovana tamin’i Rija dia any ho any amin’ny fiandohan’ny volana desambra no hivoaka amin’ny fomba ôfisialy izy io, ary harahina fampisehoana. Hisy hira 10 ho heno ao anatiny, ka « ny antsasany dia ny hira katôlika, toy ny nahafantarana ny tarika hatramin’izay, fa ny antsasany kosa dia famoronana vaovao mihitsy », hoy ny fanazavan’i Rija. Hitondra ny lohateny hoe : « Miara-dalana » ity raki-peo vao hivoaka ity. Tsy hiova loatra ny gadona hovoizina, saingy tsy ho gasigasy miangolangola fotsiny intsony, fa hafanafana kokoa, hoy hatrany ny fanazavana.

Raha tsiahivina dia tany amin’ny taona 2018 no nivoaka ny raki-peo fahatelon’ny tarika Vetsonkira. Araka izany, mampanantena fivoarana sy fanatsarana kokoa i Rija Kely, Mbola Talenta, Hoby, Tax sy i Jim, izy 5 mirahalahy mandrafitra ny tarika ankehitriny.

Lire la suite

Articles Similaires