• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

Fanatanjahantena : Tokony ho afaka handray ny « fenêtre” roa-n’ny CAN 2025 ny Kianja Barea Mahamasina

11/09/2024 15:40 © Moov

Tsara ny fanantenana. Vinavinaina ho afaka handray lalao amin’ny « fenêtre » faharoa sy fahatelon’ny CAN ny Kianja Barea Mahamasina. Mandroso ny asa fanarahana ireo fepetra napetraky ny CAF sy ny FIFA mba hahafahana mahazo ny fahazoan-dalana mandray lalao iraisam-pirenena na « homologation ». Antenaina ny hahazoana izany ao anatin’ny iray volana sisa.

Fambolena bozaka natoraly

Taorian’ny fanavaozana izay natao dia mbola nolavin’ny CAF sy ny FIFA hatrany ny Kianja Barea Mahamasina. Rehefa izany, raha tsiahivina, dia tsy maintsy niverina nanarina ireo fepetra vaovao indray ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena sy ny Sekereteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH). Mandroso ny asa ary efa eo amin’ny fambolena ny bozaka natoraly ny teknisianina amin’izao fotoana izao. « Efa misy ireo asa vita. Miandry ny fahavitan’ny fambolena ny bozaka ary miandry ny faniriny ho tonga 5cm na 10cm sisa dia afaka miantso ny CAF sy ny FIFA indray isika hanatanteraka ny fitsidihina ny kianja indray », hoy ny Minisitra Moustapha Abdoullah. Araka izany, miankina amin’ny fahavitan’izay asa rehetra izay sisa. Heverina ny handraisana ny lalaon’ny Barea amin’ny volana oktobra na novambra raha izay asa mandeha izay. Ireo lalao ireo izay tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo sy fahaefatra ary fahadimy sy fahaenina ao anatin’ny fifanintsanaa ho amin’ny CAN 2025.

Marsa 2025

Ankoatra ny bozaka izay hanatanterahana ny lalao rehetra, mbola misy pitsopitsony amin’ireo fepetra napetraky ny CAF ihany koa tsy maintsy hamboarina. Vinavinaina ny hamitana izany rehetra izany ho amin’ny volana marsa 2025. Eo andalam-pijerena izany ny tompondraikitra amin’izao fotoana izao. Ohatra amin’izany, ny vavahady fidirana, ny bozaka, ny trano fisoloana akanjo sy ny maro hafa. Ankoatra izay ny fikarohana mpitantanana matihanina. Raha tsiahivina, nanambara ny CAF sy ny FIFA fa mila mpitantanana matihanina ity Kianja ity. Tanjona amin’izany ny hahafahana miaro ny fotodrafitr’asa lehibe toy izao. Hatao ihany koa izany hahafahana mikolokolo ny ao anatiny rehetra. Efa volana maromaro no nilazan’izy ireo izany ary andrasana fatratra hatramin’izao ny orinasam-panjakana hampitantanina izany fotodrafitr’asa lehibe izany. Raha ny fanambaran’ny avy ao amin’ny SENVH ny momba izany dia anjaran’io orinasa io mametraka ny lamina sy ny fomba fikojakojana ny toerana.

Lire la suite

Articles Similaires