• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Min Du Tourisme Et De L'Artisanat
Image
Vaovao

Fihariana : Fanovana rafitra ho fampiroboroboana sy fandrindrana ny sehatra ny asa tanana

11/09/2024 14:33 © Moov

Notanterahina tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa tànana teny Andavamamba ny atrik’asa momba ny fametrahana rafitra vaovao ho an’ny asa tanana. Ho fampiroboroboana sy fandrindrana ity sehatra ity ny tanjon’izany asa izany. Nandray anjara tamin’izany ireo solontenan’ny fikambanana mpanao asa tànana isan-tsokajiny, ny teknisianina avy amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa tànana ary avy amin’ny minisiteran’ny Atitany.

Fanovana rafitra

Nodinihana sy nolanina nandritry ny atrik’asa ny fanovana ny rafitra. Hatao indrindra izany mba ahafahana mandrindra tsara ny fifandraisan’ny Fanjakana sy ny mpanao asa tànana ka ahazoana vokatra tsara amin’ny hetsika fampiroboroboana io sehatra io. Nifampidinihina ary nankatoavina ny volavolam-pandrindrana vaovao. Zava-dehibe indrindra tamin’izany ny famadihana ny CENAM na Centre National de l’Artisanat Malagasy ho lasa CMA (Chambre de Métiers et de l’Artisanat). Manana filankevi-pitantanana ahitana solontenan’ny mpanao asa tànana maro kokoa ity rafitra vaovao ity ary izay indrindra no mamaly ny filàn’ireto mpanao asa tanana ireto. Miisa 14 avy amin’ny seha-piharian’ny asa tànana 14 isa izany rafitra izany, voatondro ao amin’ny fehezan-dalànan’ny asa tànana (code de l’artisanat), nofidin’ny mpikambana ao amin’ny rafitra fivondronam-ben’ny fikambanan’ny mpanao asa tànana eto Madagasikara. Mbola miantso ireo fikambanana rehetra amin’ny fanehoan-kevitra amin’ny fametrahana ny fivondronamben’izy ireo sy ny famolavolana ny didim-panjakana hanatanterahana ny famoronana ny Chambre de Métiers et de l’Artisanat solon’ny CENAM ihany koa ny Ministera.

Fananganana ny CMAM

Tao anatin’ny dinika nifampiresahana ihany koa ny fananganana ny CMAM (Confédération de Métiers et de l’Artisanat à Madagascar) ary dia tanteraka izany. Hivondronan’ireo fikambanan'ny mpanao asa tànana rehetra eto Madagasikara io rafitra io. Ahitana kolejy 14 mifanaraka amin’ireo seha-pihariana amin’ny asa tànana miisa 14 eto Madagasikara ihany koa izany. Tanjona amin’izany fiarahana izany ihany koa ny hampiroborobo io sehatra io. Mamaly ny politika ankapoben’ny Fanjakana momba ny fampivoarana ny harena maha-olona sy ny Fanjakana tsara tantana rahateo izany asa izany.

Lire la suite

Articles Similaires