• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fambolena : Efa vonona ny drafitrasa hiadiana amin'ny valala ao anatin'ny efa-taona

09/09/2024 15:50 © Moov.Mg

Velaran-tany mirefy 270 000 ha no voalaza fa nahitana andiam-balala, tany atsimo sy atsimo andrefan’i Madagasikara, araka ny fanombanana nataon’ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fambolena sy ny Sakafo (FAO) sy ny Ivontoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara (IFVM), tamin’ny volana jona 2024. Manana anjara toerana lehibe amin’ny famongorana ireo andiam-balala mpanimba voly ireo ny IFVM.

Ivon-toerana voalohany eran-tany

Tonga nitsidika ny IFVM ao Betioky Atsimo, Faritra Atsimo Andrefana, ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Hajarison Sergio François, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny ministera dia ity ivon-toerana ity no voalohany indrindra nijoro maneran-tany, ao anatin’izay ady amin’ny valala izay. Ny taona 1927 no tonga tao Betioky ny manam-pahaizana Rosianina nanangana azy, ary ny taona 1932 no natsangana ny Sampandraharahan'i Madagasikara miady amin'ny Valala. Hatramin’ny nijoroany ka hatramin’izao dia misy hatrany ny fifanakalozana traikefa amin'ireo manam-pahaizana iraisam-pirenana maro misehatra amin’ny ady amin’ny valala. "Zava-dehibe ny fisian'ny IFVM, mafy sy lehibe ny ady amin'ny valala ary mavesa-danja ny asa miandry ny mpiasan'ny IFVM", hoy ny nambaran'Andriamatoa Minisitra. Araka ny fantatra dia tamin'ny 20 taona lasa no nisy Minisitra nitsidika farany ny IFVM ao Betioky Atsimo.

Amafisina ny hetsika

Raha tsiahivina dia nisy ny hetsika famonoam-balala nampiasana ny angidimbin’ny Tafika Malagasy, tamin’iny volana jolay lasa teo iny, notohanan’ny tetikasa DEFIS ary niarahan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE) ary ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN), tamin'ny alàlan'ny IFVM, nanatanteraka. Velaran-tany 2 150 hektara tao amin'ny Faritra Menabe, Matsiatra Ambony, Amoron'i Mania, Ihorombe ary Atsimo Andrefana no voakasik’izany. Mbola mila amafisina ny hetsika famongorana valala eto Madagasikara. Efa tafapetraka rahateo ny "Drafitrasa hiadiana amin'ny valala ao anatin'ny efa-taona", izay hatolotra an’ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola, amin’ity herinandro ity, mba hisarihana azy ireo hanohana an’i Madagasikara amin'ny fanatanterahana ny asa rehetra momba ny ady amin'ny valala, hoy ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Lire la suite

Articles Similaires