• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Ala Mikea : Amafisina ny fiarovana amin’ny fandripahana

09/09/2024 15:47 © Moov.Mg

Mitahiry zava-manana’aina maro mampiavaka an’i Madagasikara ny Ala Mikea. Tandindomin-doza tahaka ireo faritra arovana hafa misy manerana an’i Madagasikara anefa ity faritr’ala tsy manam-paharoa ity. Mba ho fiarovana azy dia namory ny fokonolona ao Manombo Atsimo, Faritra Atsimo Andrefana, ny fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana any an-toerana.

Fandripahana ala

Any amin'ny tapany Atsimo Andrefan'i Madagasikara, eo anelanelan' i Manombo sy i Morombe, manaraka ny lalam-pirenena faha-9, no ahitana ny Ala Mikea. Araka ny anarany dia ao anatin’io ala io no toeram-ponenan’ireo olona ao anatin’ny foko Mikea, izay manana ny fomba fiainany manokana sy nahatahiry izany hatry ny ela, ka tena vako-pirenena ho an’i Madagasikara. Mampalahelo anefa, fa teo anelanelan' ny taona 1960 sy 2000, dia nihena 16 % ny velaran-tany rakotra ala ao an-toerana ary nitombo avo roa heny ny fandripahana ala. Ny fiitaran’ny fonenana sy ny tany fambolena, fa indrindra koa ny doro ala, no isan’ny tena mitarika ny fahasimban’ny ala Mikea. Ho fanamafisana ny fiarovana ny Ala Mikea dia nanatanteraka fivoriam-pokonolona tao Manombo Atsimo, Faritra Atsimo Andrefana, ny fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD Atsimo Andrefana). Nandritra izany no nanentanana ireo mponina momba ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala.

Vakoka maneran-tany

Tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe : « Forêts sèches de l'Andrefana » ny Ala Mikea, miaraka amin’Ankarafantsika, Tsingy de Bemaraha, Tsimanampesotse, Ankarana sy Analamerana. Manome velaran'ala maina mirefy 734 298 ha any amin'ny ilany andrefan'i Madagasikara manontolo, ny fitambaran’ireo ala arovana ireo, izay nambara tamin’ny fomba ôfisialy tany Arabie Saoudite, ny 16 septambra 2023, fa voasokajy ho isan'ny vakoka maneran-tanin'ny UNESCO. Mba ho fiarovana ny Ala Mikea ary dia nivoitra tao anatin’ny fivoriam-pokonolona fa tokony amafisina ny fitsirihana ny ala arovana. Zava-dehibe, hoy ny DREDD Atsimo Andrefana, ny fiaraha-miasa sy ny fifanomezan-tanana eo amin’ny fokonolona sy ny Comités Locales des Parcs Mikea (CLP Mikea) ho fiarovana ity faritra arovana tsy manam-paharoa ity, indrindra raha misy ny trangana afo.

Lire la suite

Articles Similaires