• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Fiomanana amin’ny loza : Mpanentana amin’ny fanairana rehefa hisy loza miisa 135 voaofana

09/09/2024 13:03 © Moov

Nanatanteraka fidinana ifotony teny anivon’ireo toerana ahitana fiantraikany betsaka amin’ny fanadalovan’ireo lozaa voajanahary ny BNGRC. Tao anatin’izany fidinana ifotony izany no nampitomboana ny fahalalan’ireo mpanentana amin’ny fanairana rehefa hisy loza (Warner). Miisa 135 ireo no voaofana sy nomena fampitaovana amin’ny fanatanterahana ny asany.

Olona notsongaina manokana

Olona voasafidy ary voatsonga manokana teo anivon’ny mpiara-monina anatin’ny kaominina iasan’ny Tetik’Asa Mionjo ary tamin’ny alalan’ireo Rafitra Ifotony Fikaonan-doha (Structure Locale de Concertation – SLC) ireo olona voafantina ho Warner ireo. Miisa 135 izy ireo no miara-misalahy amin’izany asa izany. Nojerena manokana tao anatin’izany ny fisafidianana azy ireo izany ny fahavitrihana, fahazotoana, traikefam-panentanana vahoaka. Marihina fa milatsaka an-tsitra-po ny Warner mandritra ny asa rehetra izay tanterahin’izy ireo. Natao indrindra hanentana sy hampita ny fanairana ireo olona ireo raha sendra ka misy voina ahiana hitranga eny anivon’ireo vondrom-piaraha-monina. Araka izany, hanampy ny asa efa ataon’ireo mpisintona lakolosy izy ireo aorian’izao fiofanana izao. Nomena finday tsirairay ihany koa ary nampianarina hampiasa izany izy ireo mba hampita vaovao haingana aty amin’ny BNGRC rehefa misy tranga tsy milamina eo anivon’ny samy mpiara-belona, na koa rehefa misy loza mananontanona ny fiaraha-monina.

Faritra miisa telo

Mitsinjara amin’ny faritra miisa telo ireto Warner ireto amin’izao. Ny faritra Atsimo Andrefana nahazo Warner miisa 27, 38 ho an’ny faritra Androy, ary miisa 69 kosa ho an’ny Faritra Anosy. Nofanina sy nomena finday misy fahana (ahafahana miantso, mandefa someso sy mikirakira aterineto) izy ireo tamin’izany. Antenaina fa hanatsara ny fampiakaram-baovao, hampitombo ny hafainganan’ny fampitàna fanairana ihany koa ny fisian’izy ireo. Ilaina izany ny ho enti-manetsika ny asa vonjy ilaina haingana. Isan’ny paikady entin’ny BNGRC hanenana ny fiantraikan’ny loza voajanahary lasa betsaka loatra ity fampiofanana ity. Eo ihany koa ny fahafahana miaro ain’olona mihoatra ny isan-taona. Mifanaraka amin’ny fanamby lehibe napetrak’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, Antonio Guterez, ho an’izao tontolo izao ihany koa izany.

Lire la suite

Articles Similaires