• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Apmf Madagascar
Image
Vaovao

Fifamezivezena : Mbola maro ireo ezaka mila harenina hampaharitra ny fitaterana an-dranomasina

09/09/2024 09:48 © Moov

Tohin’ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny toe-karena manga, nanatanteraka loa-bary an-dasy ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale (APMF). Nivoitra tao anatin’izany fa mbola maro ireo lesoka mila harenina raha te hampaharitra ny fitaterana an-dranomasina eto Madagasikara. Niombonan-kevitra tamin’ny Association des Armateurs Maritimes de l'Est izany fanambarana izany. Mamaritra fa mbola faka hampivoarina hatrany io fomba fitaterana io.

Fanamby marolafy

Nanatanteraka famelabelaran-kevitra nandritra io loa-bary an-dasy io ny APMF, ity rafitra ity izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitaterana an-dranomasina manerana ny Nosy. Nanambara izy ireo tao anatin’izany fa maro ireo fanamby ilàna ezaka goavana. Tanjona amin’io ny hampaharitra ny fitaterana an-dranomasina eto Madagasikara. Mila paikady sy fivoarana haingana kokoa hanatsarana ny sambo, ny fanamboarana sambo, ny fotodrafitrasa eny an-tseranana, ny fikirakirana ny entam-barotra, ny fandraharahana isan-karazany sy ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina. Tsara ny mampatsiahy fa maherin’ny 5 000 km ny morontsiraka eto Madagasikara izay azo trandrahina amin’ny alalan’io fitaterana an-dranomasina io. Tsy maintsy vahana kosa anefa ny olana momba ireo fitaovana hampiasaina mba hahafahana tonga amin’izany tanjona izany. Raha tsiahivina mantsy dia vao herinandro izay no nisy sambo rendrika tany Taolagnaro. Anisan’ny manaitra ny mpampiasa ranomasina izany mba hitandrina sy hanatsara ireo fitaovana rehetra ilaina. Nisongadina ihany koa ny fahavonon'ny telo tonta, ny APMF,Association des Armateurs Maritimes de l'Est ary ny Ministeran’ny jono sy ny toekarena manga ary ireo mpisehitra hafa nanatrika ny fotoana hampitombo sy hanatsara ny fiaraha-miasa hirosoana miandalana amin'izany fitaterana an-dranomasina maharitra izany.

Fampiasana ny teknolojia vaovao

Sehatra iray mila hampivoarina toy ny sehatra hafa rehetra ny fitaterana an-dranomasina. Anisan’ny azo ampiasaina amin’izany ny teknolojia vaovao. Raha ny tolo-kevitr’ireo izay nanatrika ny loa-bary an-dasy araka izany dia ny fivadihana amin’ny fampiasana io teknolojia io dia anisan’ny vahaolana fampandrosoana. « Hanafainganana, hanamorana ary hanatsarana ny kalitao sy ny vidin'ny tolotra amin'ny fandraharahana eny an-tseranan-tsambo no ilaina ireo teknolojia ireo », hoy hatrany ireo mpanatrika. Tsara ny manamarika fa efa maro ireo vokatra teknolojika azo ampiasaina ary efa misy mampiasa ihany koa maneran-tany. Azo atao tsara ny mitondra izany eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires