• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanalana fahasahiranana : Vonona hanampy ireo ankizy beazina ao amin’ny Foibe Manjary Soa ny Groupe Axian

06/09/2024 16:25 © Moov

Notanterahina teny amin’ny Foibe Manjary Soa ny fanoloran’ny Groupe Axian fanampiana ireo ankizy beazina. Fitaovam-pianarana sy fanampiana ara-tsakafo ilaina mandritra ny taom-pianarana no natolotry ny Axian tamin’izany. Ankizy miisa 20 kosa no nisitraka ireo fitaovana.

Namaly ny antson’ny Ministera

Eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny asa, Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana (MTEFOP) ny Foibe Manjary Soa izay hita etsy 67Ha. Natao indrindra hiadiana amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ny anton’ny foibe. Araka izany, ireo ankizy beazina sy hampiofanina ireo dia notsongaina avy eny anivon’ny fiaraha-monina mba haverina hampianarina. Misedra olana anefa ny Foibe ka izany indrindra no nanaovan’ny Ministera antso fanampiana. Namaly ny antso araka izany ny Groupe Axian. Fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra sy sakafo mandritra ny taona ao amin’ny « cantine scolaire » no nentina tao anatin’izany. « Nangataka fanampiana tamin’ny orinasa ny Ministera amin’ny hanampiana ny Foibe Manjary Soa. Hanohana ara-tsakafo ny « cantine scolaire » araka izany izahay mandritra ny herintaona ankoatra ireo fitaovam-pianarana nozaraina », hoy i Jessica Rzakamanantsoa, Community Relation Manager an’ny Groupe Axian.

Tohana hafa

Anisan’ny vinan’ny Ministera tamin’ny nananganana ity Foibe ity ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Nahomby ny ezaka hatramin’ny taona 2006 nitsanganany raha mbola mila ampiana hatrany izany. Hampianarina hatramin’ny taona fahaefatra ny ankizy kely 7 taona hatramin’ny 14 taona. Hampiofanina momba ny zaitra kosa ireo tanora 14 hatramin’ny 17 taona. Misedra olana izy ireo amin’izao. Anisan’izany ny tsy fahampian’ny efitrano sy ny enti-manana. « Hitondra fanavaozana sy fanampiana ho an’ny Foibe ireto fanampiana ireto. Mbola angatahina anefa ny tolo-tanana avy amin’ny hafa mba hamahana ny olana sasany », hoy ny Minisitra Razakaboana Hanitra Fitiavana. Ao anatin’izany ny mba hahafahana mampitombo indray ny isan’ireo mpianatra afaka raisina. Nanamarika ity Minisitra ity fa mbola maherin’ny 40 ny lisitra fiandry ho an’ireo ankizy maniry hianatra. Ankoatra izany ihany koa ireo ankizy 14 hatramin’ny 17 taona mbola maniry hiofana momba ny zaitra. Tanjona amin’ity farany moa ny hampaleo-tena ireo ankizy vavy ireo ary hahafahany miala amin’ny asa mamohehatra nataony taloha.

Lire la suite

Articles Similaires