• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Iom Madagascar
Image
Vaovao

Fiomanana amin’ny loza voajanahary : Nisitraka fampitaovana avy amin’ny OIM ny Ministeran’ny Mponina

06/09/2024 14:21 © Moov

Tafiditra ao anatin’ny famaranana ny tetikasa Sorebe tany amin’ny Faritra Fitovinany sy Atsimo Atsinanana ; nisitraka fampitaovana avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fifindra-monina (OIM) ny Ministeran’ny mponina sy ny firaisan-kina. Natao indrindra izany mba hiomanana sahady amin’ny loza voajanahary izay mety hiseho.

Fitaovana informatika

Fiarahamiasan’ny tsirairay no mampahomby ny famonjena ny ain’olona eto Madagasikara rehefa sendra misy loza, hoy ny Ministeran’ny Mponina sy ny firaisankina. Araka izany, miara-misalahy amin’ny BNGRC sy ireo rafitra mpamonjy voina rehetra ny Ministeran’ny mponina amin’iny fotoana iny. Izany indrindra no nanolorana fanampiana ara-pitaovana azy ireo. Fitaovana informatika izy ireo ary ho ampiasaina mialoha, mandritra ary aorian’ny loza voajanahary. Ao anatin’izany avokoa ny rivo-doza, ny hain-tany ary ny tondra-drano. « Ho ilaina hatrany ireo fitaovana ireo amin’ny lafiny rehetra saingy ny aorian’ny loza no tena zava-dehibe amin’izany. Hahafahana manisa ireo traboina izay mila fanampiana farany izay haingana ny fitaovana », hoy ny Minisitry ny mponina, Razafinjato Aurélie Marie Augustine. Tsara ny mampatsiahy fa avy amin’ny OIM sy ny Governemanta Japoney moa izany fitaovana izany.

Fampiofanana

Mpanonta printy, « video projecteur », « tablette » ary solosaina no natolotra tamin’izany. Ankoatra ny Ministeran’ny mponina sy ny firaisankina dia ho ampiasain’ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana ihany koa ireo fitaovana. Voalohany indrindra ny BNGRC sy ny sampan-draharaham-paritry ny mponina sy ny firaisankina ao amin’ny Fitovinany sy Atsimo Atsinanana. Raha tsiahivina dia ireo faritra roa ireo no tena hianjadian’ny voka-dratsin’ny loza voajanahary mafimafy hatrany. Ilaina izany mba hanamafisana ny fahaizan’izy ireo hanohy ny ezaka amin’ny fisorohana sy fitantanana ny loza voajanahary. « Zava-dehibe ny fanaovana tantsoroka mialoha toy izao. Hanenana ny vokadratsy ateraky ny loza ny anton’izany fampiofanana izany. Hanaraka izany avokoa na ireo mpiasa na ireo mponina any an-toerana”, hoy ny avy ao amin’ny OIM. Etsy andaniny anefa dia mety ho ampaisaina amin’ny hetsika ara-tsosialy isan-karazany ireo fitaovana ireo, raha ny fanamarihan’ny Minisitra.

Lire la suite

Articles Similaires