• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Vitrine du Vakinankaratra : Trano heva hatramin’ny 274 no mandray anjara ao Antsirabe

05/09/2024 14:14 © Moov

Tanterahina ao Antsirabe manomboka androany 5 septambra hatramin’ny 7 septambra izao ny hetsika « Vitrine du Vakinankaratra ». Fotoan-dehibe hifamotoan’ireo mpandraharaha ao anatin’ny faritra Vakinankaratra io. Miisa hatramin’ny 274 ny mpandray anjara amin’ireo trano heva hampiranty mandritra io telo andro io. Efa tafiditra amin’ny andiany faha-26 sahady moa ny hetsika amin’ity taona 2024 ity.

Fampandrosoana maharitra

Miaraka amin’ny lohahevitra hoe : « Famokarana fitaovana sy vokatra samihafa afaka alefa eo anivon’ny tsena ho fampandrosoana maharitra ». Izany no midika fa fampiroboroboana ny vokatra izay misy sy azo trandrahina ho fitsinjovana ny any aoriana sy ny fampandrosoana maharitra no tanjon’ny hetsika. Natao indrindra ihany koa izany mba hahafahana mameno indray ny banga ka hahafahana mampidina vidin-javatra isan-karazany. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanehoana ny tanjaky ny tanàna amin’ireo vokatra ireo. « Ireo vokatra ho ampirantiana ireo anie hahafahantsika misintona mpikarakara hetsika ho tonga eto. Hahafahana mampitombo ny mpandraharaha ho fampandrosoana ny Tanànan’Antsirabe ihany koa », hoy i Dr Unoh, Ben’ny Tanànan’Antsirabe Voalohany. Mbola misy ny fanantenana hialana amin’ny fahasahiranana hoy ireo nandray fitenenana ka anisan’izany ny fampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra toy izao.

Fambolena sy fiompiana

Raha ny nahalalana izany faritra Vakinankaratra izany dia ny fambolena sy ny fiompiana. Fotoana iray lehibe hahafahana mampiseho ny vokatra avy amin’izany ity Vitrine du Vakinankaratra ity. Ao ireo vokatra efa voaodina sy ireo izay mbola tsy voahodina. Hanankarena izany vokatra izany ireo trano heva maro be. Ao ohatra ny ronono, voankazo isan-karazany, ny legioma, ny voninkazo ary ireo vokatra efa voaodina avy amin’ireo. Ao anatin’ireo trano heva miisa 274 ireo ihany koa dia misy ireo afaka hanampy amin’ny fomba fambolena sy fiompiana. Misy teknisianina afaka manoro hevitra amin’ny karazan’izany ao. Etsy andaniny anefa dia ahitana vokatra ankoatra izany ihany koa ny hetsika mandritra ireo telo andro ireo. Hisy ihany koa ireo famelabelarana-kevitra sy ady hevitra samihafa mandritra ny fotoana.

Lire la suite

Articles Similaires