• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Antananarivo : Ankizy miisa 1 613 nisitraka kopiam-pahaterahana tao amin’ny Boriborintany fahaefatra

05/09/2024 12:28 © Moov

Ankizy latasaky ny 17 taona aman’arivony indray teto Antananarivo no nisitraka kopiam-pahaterahana. Tafiditra ao anatin’ny hetsika Fitsarana mitety vohitra indray ity hetsika notanterahina teo amin’ny Boriborintany fahaefatra ity. Fiarahamiasan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny Vondron'ireo firenena mampiasa ny teny frantsay (OIF) ity tamin’ity anio ity.

Ho tena olom-pirenena

Zon’ny ankizy ny hisitraka kopia na taratasy fanamarinam-pahaterahana. Ny ankizy rehetra vao teraka dia tokony efa manana izany. Etsy andaniny anefa dia mbola maro ireo ankizy latsaky ny 17 taona eto Antananarivo, indrindra ao anatin’ny Boriborintany fahaefatra no mbola tsy manana izany akory. Marihina anefa fa mametraka ny ankizy tsirairay amin’ny maha-olom-pirenena ny fananana kopia nahaterahana. « Ezaka lehibe no vitantsika Ray aman-dReny izay nitondra ny zanatsika hosoratana mandritra ny hetsika toy izao. Anisan’ny dingana mametraka azy ho olom-pirenena eo anivon’ny fiaraha-monina izany », hoy ny Filohan'ny Delegasionina manokan'ny tanànan'Antananarivo (PDS), Ramatoa Harilala Ramanantsoa raha nanokatra ny hetsika.

Fitsinjovana ny mponina

Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Fitondram-panjakana ny fanatanterahana ity Fitsarana mitety vohitra ity. Ao anatin’izany ohatra ny fitsinjovana ny mponina indrindra ireo tena sahirana ka mety tsy mahalala akory ny toerana tokony alehany amin’izany. Marihina fa maro no ilaina ny fananana kopia. Ao anatin’izany ny fidirana anatin’ny lisi-pifidianana izay anisan’ny zo tokony sitrahina ihany koa. Ao ihany koa anefa ny ny fianarana, fitadiavana asa, fakana vola amin’ny banky, fakana fahazoan-dalana hamily sy ny maro hafa dia ilaina kopia avokoa izany. Marihina ihany koa fa tsy eto Antananarivo irery ihany no hanatanterahana ity hetsika Fitsarana mitety vohitra ity fa miparitaka manerana ny Nosy io. Vao haingana izao no nahazo ny anjarany ny tao Farafangana.

Lire la suite

Articles Similaires