• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Hetsika « Fijery hafa » : Natomboka teny Isotry ny fakan-kevitra lehibe momba ny asa tian’ny tanora hatao

05/09/2024 09:06 © Moov

Natomboka tetsy Isotry tamin’ny alalan’ny mponin’Antohomadinika sy Andavamamba sy ny manodidina ny hetsika « Fijery hafa ». Tetikasan’ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa izy ity. Fotoana iray lehibe hihaonan’ny Minisitra amin’ireo mponina hiresahana sy hifampidinihina momba ny asa tian’izy ireo hatao hahafahana manolotra fampiofanana.

70% ny tanora tsy an’asa

Raha ny fanambaran’ny Minisitra, Rasoloarisoa Marie Marcelline, dia ny 70% maherin’ny tanora malagasy dia tsy an’asa. Tanjona tamin’ity hetsika ity araka izany ny hanomanana fampiofanana ho azy ireo mifandraika amin’ny asa tiany hatao. Nandray ny hetahetan’ny tanora amin’ny tolotra fanofanana tiany ho arahina tamin’ireo tanora marefo lahy sy vavy ao amin’ny fokontanin’Isotry izy omaly. « Hampahatsiahivina ireo tanora sy ireo mponina ireo fa tsy misy olona natokana ho sahirana mandrakizay. Misy hatrany ny vahaolana amin’ny zavatra rehetra. Anisan’izany ny fampiofanana ka izay no antony hanatonana azy ireo handraisana ny heviny amin’izay zavatra tiany », hoy ny Minisitra ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Tamin’ity “Fijery hafa” andiany voalohany ity izao dia nahatratra hatrany amin’ny 257 ireo tanora lahy sy vavy, tonga nanatrika ny fakan-kevitra. Ny 97 amin’izy ireo dia am-perin’asa ary 160 no tsy an’asa. Hatolotra azy ireo ny fampiofanana ary ny andrasana amin’izany dia mba afaka hampihatra izany ho fitadiavam-bola sy afaka hamorona asa izy ao aoriana.

Tsy mifidy taona

Fampiofanana hahafahana mahazo taratasy fanamarinam-piofanana io tanterahina io. Efa maro ireo tolotra avy ao amin’ny Ministera fa misy ihany koa ireo avy amin’ny fangatahan’ireo tanora. Haharitra herinandro ny fiofanana na tapa-bolana ary hiarahana ho an’ny daholo be. Etsy andaniny dia afaka misoratra anarana ny rehetra. « Tsy mifidy taona ny fampiofanana saingy tokony olona mbola afaka miasa tsara sy afaka mamoroana asa kosa anefa no manaraka ny fampiofanana », hoy hatrany ny fanazavan’ny Minisitra. Raha ho an’ny mponina tetsy Isotry dia maro ireo seha-piofanana tian'izy ireo ho arahina. Tao anatin’izany ohatra ny « coupe et couture », Machiniste”, “Énergie renouvelable”, “Mécanique auto”, ny fanamborana savony sy ireo maro hafa.

Lire la suite

Articles Similaires