• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Misitraka angovo azo havaozina, tsy ho tratran'ny fahatapahan-jiro intsony

05/09/2024 08:02 © Moov.Mg

Misitraka herinaratra avy amin’ny herin'ny masoandro ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza. Notokanana omaly alarobia 4 septambra 2024 izany fitaovana izany.

Angovo avy amin’ny herin’ny masoandro

Takelaka (panneaux) miisa 66 no mandrafitra ity fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ity, izay manana tanjaka 36kVA. Vatoharatra (batteries) miisa 4, manana fahaleovan-tena 46 kWh ihany koa no mamelona azy. Mitondra angovo ho an’ireo efitra maro ao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ity fitaovana ity, ka voakasik’izany ny efitrano fivorian’ireo Solombavambahoaka, ny birao miisa 77 ary ny efitrano fivorian’ny mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra. Ny orinasa Solarmad no nanatanteraka ny asa fametrahana azy. Notokanana omaly ity fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ity, teo ambany fitarihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, sy ny Masoivohon’ny Firenena Indianina S.E Bandaru Wilsonbabu. Nanatrika ny lanonana ny solontena avy amin’ny Governemanta, ireo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena, ny teknisianina eo anivon’ny Antenimierampirenena ary ny avy amin'ny Solarmad.

Fiarovana ny tontolo iainana

Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Governemanta Indianina sy ny Antenimierampirenena no nahazoana izao angovo azo havaozina ho an’ny Lapan’i Tsimbazaza izao, ary ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny finamanana eo amin’ny parlemantera roa tonta ihany koa, araka ny fampitam-baovaon’ny Antenimierampirenena malagasy. Noho ny nahazoana azy ity dia azo antoka ny tsy hisian’ny fahatapahana herinaratra intsony ao amin’ny Lapa. Etsy an-daniny, hisy fiantraikany tsara eo amin’ny lafin’ny fitantanana ihany koa izy ity, satria hampihena ny fandaniana amin'ny vola mivoaka ho an'ny herinaratra. Ankoatra izay dia te hanome ohatra tsara ho an’ny rehetra ny Antenimierampirenena, amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina, satria sady fiarovana ny tontolo iainana izany no fomba azo entina miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires