• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Famatsiana herinaratra : Efa azo ampiasaina ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro ao Toliara II

04/09/2024 16:35 © Moov

Haravoana ny an’ny mponin’ny Toliara faharoa. Efa azo ampiasaina amin’izao fotoana izao ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro (centrale solaire CS) ao an-toerana.

Efa vita andrana ny fiandry

Toerana roa no nametrahana io tobim-pamokarana herinaratra io. Hita ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambahikily ny iray raha eo amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankililoaka ny iray hafa. Manana tanjaka 579KWc ny voalohany, ary 463 KWc kosa ity faharoa ity. Raha ny fanazavana avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny akoran’afo dia notanterahina ny 30 Aogositra teo, teto Ambahikily, ny andrana voalohany (essai) amin’ny milina mpihary herinaratra na "groupe électrogène" (GE). Manana tanjaka 330 KVA io GE io ary hatao fiandry na ilay antsoina hoe GE de secours. Etsy ankilany dia efa ho atao ny Zoma 6 Septambra izao kosa ny andrana teknika ho an’ny milina mpihary herinaratra hatao fiandry, eto amin’ny CS Ankililoaka. Miandry ny fahavitan’izany andrana izany fotsiny sisa dia afaka hisitraka herinaratra amin’izay ireo mponina. Sady hanampy azy ireo amin’ny lafiny sosialy maro be ny fisian’io herinaratra io. Ohatra amin’izany ny fandriam-pahalemana sy ny fampitomboana ny velon-tena ary ireo maro hafa.

Angovo azo havaozina

Mbola tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Fitondram-panjakana hatrany ity asa ity. Dia ny hampitombo ny isan’ireo tokantrano misitraka herinaratra manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Araka izany, tsy maintsy tehiriziana ireo herinaratra mety ho azo mba ho ampiasaina amin’ny fotoana ilaina izany. Ho an’ireo toerana roa ireo dia efa samy tonga ny vatoaratra (batterie de stockage), hitahiry ny herinaratra vokarin’ireo CS ireo. Hatao avy hatrany ny andrana teknika amin'ireo CS, vantany vao tafapetraka ireo vatoaratra. Afaka fotoana fohy sisa, dia hisitraka ny vokatra azo avy amin'ireto fotodrafitrasa vaovao, ny vahoaka amin’ireto Kaominina Ambanivohitra ireto. Manamafy ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na « Partenariat Public-Privé » (3P) ireto asa ireto. Anisan’ny sehatra iray lehibe ao anatin’izany fiaraha-miasa izany mantsy ny angovo azo havaozina. Marihina fa ny orinasa ANKA Madagasikara no niara-niasa tao anatin’ity tetikasa ity. Raha tsiahivina, tanjona ny hampitombo avo 2 heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny 2030.

Lire la suite

Articles Similaires