• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Croix Rouge Malagasy
Image
Vaovao

Fiomanana amin’ny loza voajanahary : Nahazo 7.5 tapitrisa Livres Sterling avy amin’ny Governemanta Britanika ny Vokovoko Mena

04/09/2024 16:01 © Moov

Nahazo fanampiana avy amin’ny Governemanta Britanika indray ny Vokovoko Mena Malagasy. Vola mitentina 7.5 tapitrisa Livres Sterling no azon’izy ireo tamin’izany. Ho ampiasaina amin’ny tetikasa mandritra ny telo taona indray izany fanampiana izany.

Mpisitraka 896 025

Tetikasa maro no ho tanterahin’ny Croix Rouge Malagasy ao anatin’izany telo taona izany. Mifandray amin’ny fiahiana ny maha-olona momba ny tandindon-doza sy ny fiovan’ny toetr’andro ny ankamaroan’ireo tetikasa ireo. Mponina miisa hatramin’ny 896 025 no heverina hisitraka izany tetikasa izany. Miparitaka amin’ny fokontany miisa 72 ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Menabe, Fitovinany ary Analanjirofo ireo mponina ireo raha ny fampahafantarana. « Nosafidiana manokana ireo faritra ireo satria ireo toerana ireo no tena miaina ny fiantraikany betsaka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary. Ao anatin’izany ny rivo-doza, tondra-drano, hain-tany ary ihany koa ireo karazana areti-mifindra samihafa », hoy i Andoniaina Ratsimamanga, Sekretera Jeneralin’ny Vokovoko Mena eto Madagasikara. Hisitraka fampiomanana sahady amin’ny fiatrehana ny loza ireo mponina ireo. Ao ihany koa ny fiatrehana ny fiainana aorian’ny loza. Marihina fa efa miomana sahady amin’ny vanim-potoan’ny rivo-doza rahateo ny Croix Rouge amin’izao fotoana izao. Ireo mpilatsaka antsitrapo no mandeha eny anivon’ny fiaraha-monina eny manatanteraka ny tetikasa.

Ho ampitomboina ny toerana hiasana

Ankoatra ireo faritra nosafidiana ireo dia efa manana mpilatsaka an-tsitrapo eny anivon’ny faritra rehetra ity Fikambanana ity. Ny fanampiana toy izao raha ny fanazavana hatrany dia afaka entina hampitomboina ireo faritra hiasana. Maro ireo sehatra hiasan’izy ireo amin’izao fotoana izao, toy ny fahasalamana, trano fonenana, fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, fanatsarana sy fanamafisana seha-pihariana, fanjarian-tsakafo ary ny rano fisotro madio. Mbola afaka entina amin’ireo faritra maro be manerana ny Nosy izany. Raha ho amin’ity tetikasa mandritra ny telo taona ity dia hatomboka amin’ny fametrahana « kits de pré positionnement ». Tanjona amin’izany ny hahafahana manetsika malaky ireo mpilatsaka an-tsitrapo raha sendra misy loza, izany hoe hahafahana mahazo valiny haingana. Ao ihany koa ny fanamafisana ny fahaizan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo momba ny asan’izy ireo raha sendra loza. Tsara ny manamarika fa efa maherin’ny 10 000 ny isan’ireo mpilatsaka an-tsitrapon’ny Vokovoko Mena miparitaka manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires