• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Baomiavotse Vahinala Raharinirina
Image
Vaovao

Toetr’andro : Heverina hitohy rahampitso ny rotsak’orana niseho omaly sy androany

04/09/2024 14:59 © Moov

Nahagaga ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina ny fisiana rotsak’orana omaly alina sy androany maraina. Mbola heverina hitohy rahampitso anefa izany raha ny vinavinan’ny Foibe Famantarana ny Toetr’andro. Misy faritra sasany ihany koa mety hahazo oram-baratra ao anatin’izany.

« Dépression en altitude »

Raha ny fahitana ny andro tamin’ity alarobia ity dia mbola maizina ny rahona. Raha ny fanazavana avy amin’ny Météo Madagasikara hatrany dia noho ny fisiana « dépression en altitude » any amin’ny habakabaky Madagasikara any amin’ny tsy hita maso any no mahatonga io rotsak’orana io. Mbola azo lazaina ho takon’ny rahona ny lanitra ho an’ny faritra maro eto afovoan-tany sy any amin’iny ilany atsinanana amin’ny morontsiraka iny. Araka izany, ireo faritra ireo no vinavinaina mbola hahazo rotsak’orana ho amin’ny rahampitso. « Tsy ho an’ireo faritra ireo irery ihany ny orana fa heverina hikisaka mianandrefana kokoa ny orana amin’io rahampitso io », hoy i Lovandrainy Ratovoharisoa, teknisianina mpamantatra ny toetr’andro eo amin’ny Foibe Ampandrianomby. Etsy andaniny kosa dia manome fanantenana ny vinavina ho amin’ny faran’ny herinandro. Heverina hipoaka indray ny masoandro ary mety hiakatra ny mari-pana amin’io sabotsy io. Araka ny vinavinan’ny Sampana famantarana ny toetr’andro izany. Tsara ihany koa ny manamarika fa tsy orana artifisialy io amin’izao fotoana izao io.

Mbola ririnina

Na dia efa volana septambra aza isika amin’izao fotoana izao dia mbola anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina hatrany, hoy ny fanambarana avy ao amin’ny Météo Madagasikara. « Raha ny fahitana ny volon’andro sy ny fironan’ny mari-pana amin’izao fotoana izao io dia tena mbola anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina isika. Arahi-maso matetika eo kosa ny fivoaran’izany », hoy hatrany ny fanazavana. Marihina fa hisy fidinany ny mari-pana miaraka amin’ny fisian’io « dépression en altitude » io. Ny afovoantany sy ny ilany atsinanana hatrany no ahatsikaritra izay fidinana mari-pana izay.

Lire la suite

Articles Similaires