• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Toekarena manga : Ho afaka hiasa tsy ho ela ny ZEP ho an’ny Faritra Analamanga

04/09/2024 11:03 © Moov.Mg

Tanjona napetraky ny fitondram-panjakana malagasy, amin’ny alalan’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny hamokaran’i Madagasikara zana-trondro miisa 600 tapitrisa isan-taona. Paikady iray hahafahana manatratra izany ny fametrahana ny fari-pisandratana ho an'ny fampamokarana anaty rano, na ny ZEP (Zone d'Emergence Piscicole).

Zana-trondro 600 tapitrisa

ZEP miisa 70 no ilaina manerana an'i Madagasikara, raha tiana ho tratra ny tanjona amin'ny famokarana zana-trondro miisa 600 tapitrisa isan-taona. Iray amin'ireo ZEP miisa 17 izay kasain'ny Ministera hapetraka hatramin'ny faran'ity taona 2024 ity ny ZEP Analamanga. Eny amin’ny Fokontany Ambatofotsy, Kaominina Tsiafahy, Distrikan'Atsimondrano no misy azy. Tonga nitsidika ny fotodrafitrasa naorina eny an-toerana, omaly 3 septambra 2024, ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, sy ny ekipany. Hita tamin’izany fa manodidina ny 90%-n’ny asa no efa vita. Ny fanadiovana sy ny fandaminana ny ivelany ary ny fampidirana rano amin’ireo dobo, miampy pitsopitsony madinika sisa no mbola hotanterahina, dia ho azo ampiasana tanteraka amin’izay ity ZEP ity.

Fiompiana ho an’ny rehetra

Ahitana dobo fiompiana renin-trondro sy zana-trondro ary hahafahana manatavy ao amin’ity ZEP ity. Misy toerana fanafoizana atodin-trondro (éclosoire), izay efa vita andrana ihany koa. Vinavinaina hamokatra zana-trondro mihoatra ny 1 tapitrisa isan-taona, fara-fahakeliny, izany fanafoizana atodin-trondro izany ary mbola hitarina hanatrarana ny tanjona hamokatra zana-trondro 5 hatramin'ny 10 tapitrisa isan-taona. Ankoatra izay dia misy trano mizara ho efitrano maromaro ihany koa ao anatin’ny fotodrafitrasa naorina, ka ahitana trano fipetrahana, lakozia, fidiovana, fivoahana, birao, labôtatoara ary efitrano lehibe mahazaka mpiofana mihoatra ny 100 isa, izay natokana ho an’ireo mpiofana momba ny fiompiana trondro. Vinan'ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny hahafahan'ny rehetra manao fiompiana trondro. Tanjona amin’izany ny hampiakarana ny tahan'ny fihinanana trondro, mba hiadiana amin'ny tsifanjariantsakafo, ary ny hamoronana asa, hiadiana amin’ny fahantrana.

Lire la suite

Articles Similaires