• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Défi Media
Image
Vaovao

Fanondranana zava-mahadomelina : Vehivavy malagasy tratra tany Maorisy, nitondra katy

04/09/2024 10:19 © Moov.Mg

Tera-tany malagasy miisa roa, lehilahy iray sy vehivavy iray, no voatazona am-ponja ao amin’ny nosy Maorisy, noho ny fanondranana katy, izay voasokajy ho zava-mahadomelina voarara any an-toerana.

Zava-mahadomelina mampidi-doza

Ny harivan’ny alahady 1 septambra lasa teo ity vehivavy 28 taona ity, izay voalaza fa avy any Mahajanga, no voasambotra tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Sir Seewoosagur Ramgoolam (SSRIA) any Plaisance Maorisy. Nandray ny fiaramanidina MK 289 teo Ivato izy, ka nitondra fonosana katy tao anatin’ny entany. Nosakanan’ireo mpiasan’ny fadin-tseranana izy, rehefa nigadona tao Maorisy, ary nanomboka ny fanadihadiana. Nambarany, nandritra izany, fa antony arak’asa no nahatongavany tany an-toerana. Raha efa izany dia nosavaina tamin’ny alalan’ny « rayons X » ny entany, ka tsikaritra ny ravin-javamaniry tao anatiny, izay voamarina fa katy nilanja 440 g. Voasokajy ho isan’ny zava-mahadomelina mampidi-doza (Dangerous Drugs Act) ny katy ao Maorisy, ka notanan’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ilay vehivavy, mba ho hadihadiana.

Niakatra fitsarana

Nambarany teo anatrehan’ireo mpitandro ny filaminana fa lehilahy tera-tany malagasy iray, miasa sy monina ao Maorisy, no nanafatra ity ravina zava-mahadomelina ity. Rehefa natao indray ny fisavana, dia tratra tao ivelan’ny seranam-piaramanidina ilay lehilahy voalaza fa nanafatra ilay katy. Taorian’ny fitazonana ireto tera-tany malagasy ireto am-balam-pamonjana, ny alin’ny alahady, dia niakatra fitsarana avy hatrany, tao amin’ny tribonalin’i Mahébourg izy ireo, ny alatsinainy. Naiditra am-ponja vonjimaika aloha ireto olona ireto, ka trafikana zava-mahadomelina no vesatra iampangana azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires