• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtefop
Image
Vaovao

Asam-panjakana : Nodinihin’ny CSFOP indray ny mikasika ny andro tsy hiasana noho ny fiterahana eo amin’ny Ray sy ny Reny

04/09/2024 09:46 © Moov

Nivory ara-potoana ny Filankevitra Ambonin’ny Asam-panjakana na ny CSFOP omaly. Niverina nodinihina tamin’izany indray ny mikasika ny andro tsy hiasana. Voaresaka tamin’izany avokoa na ny « congé de maternité » na ny « congé de paternité » ho an’ny mpiasam-panjakana.

Fifampidinihana

Raha tsiahivina, tapaka teo anivon’ny Antenimierampirenena ny volana jona teo ny fampiharana ity lalànan’ny asa vaovao ity. Izany hoe, manana 3 andro tsy hiasana ny raim-pianakaviana vao nahazo zaza ary 15 andro kosa izany ho an’ny mpiasam-panjakana raha any amin’ny Hôpitaly ny vadiny. Tafiditra tao anatin’ny resaka nifanaovana ihany koa ny andro tsy fiasana ho an’ny vehivavy izay tera-bao. Nazavaina sy nifampidinihan’ny tsirairay izay ao anatin’ny CSFOP indray ireo rijanteny ireo. Fotoana iray nahafahana nanambotra ny lalàn’ny asa indray ity fivoriana ity. Tao anatin’izany kosa anefa dia tsy nisy fiovana betsaka ireo lalàna ireo. Ankoatra izany dia samy nahazo ny anjarany ihany koa ny mpiasa rehetra, na ireo mpiasa tena, mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina, ary ny mpiasam-panjakana sy ny sokajiny avy tao anatin’io fivoriana io.

Mpivory hatramin’ny 112

Rantsana misahana ny fifanoroan-kevitra sy fifampidinihana natsangana eo ambany fiadidian’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana ity CSFOP ity. Izany indrindra no nisian’ny fivoriana omaly, nifampiresahana momba ny lalàn’ny asa. Miisa hatramin’ny 112 ireo mpikambana ao amin’ity CSFOP ity. Ao ireo mpikirakira ny maha-olona sy ny mpikirakira ny lalàna eny anivon’ny Rafi-panjakana rehetra ary ao ihany koa ireo mpikambana avy amin’ny sendika. « Ireo rehetra ireo no miaraka manomana sy manova na manatsara ny lalàn’ny asa mba ho tombontsoan’ny mpiasa rehetra », hoy ny Tale Jeneralin’ny Asam-panjakana (DGFOP), Heridja Ramaroson. Ireo mpiasa kosa etsy andaniny maniry vokatra tsara momba ny lalàn’ny asa avy amin’io fivoriana lehibe io.

Lire la suite

Articles Similaires